vendredi, février 12, 2010

Mifaly, mivavaka, misaotra

"Mifalia mandrakariva.Mivavaha, ka aza mitsahatra.Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'ny Kristy Jesosy ho anareo." (ITesaloniana 5:16-18)
"Soyez toujours joyeux.Priez sans cesse.Rendez grâces en toutes choses, car c`est à  votre égard la volonté de Dieu en Jésus Christ." (IThessaloniciens 5:16-18)
"Rejoice always.Pray without ceasing.In everything give thanks, for this is the will of God in Christ Jesus toward you."(IThessalonians 5:16-18)

Vakio ato

Mahafinaritra be ty andininy androany ity, fa milaza zavatra 3 izay tena SITRAPON'Andriamanitra ho antsika, ary tena MAHASOA antsika 100 %.Na inona na inona zavamitranga, na aiza na aiza, na @ fotoana inona dia ireto foana no atao... (ho an'izay tsy mahita atao zany dia efa manararaotra eto @ torohevitra..lol)
- MIFALY
- MIVAVAKA
- MISAOTRA
Izany no soatoavina nampianarin'ilay Tompontsika antsika.Rehefa tsy manao an'ireo ianao @ andrompiainanao rehetra dia
- raha tsy mahay mifaly @ zavatra rehetra: dia ho avy ny fimonomononana (râleur), tsy fahaizana mankasitraka, ny fahatezerandava, lasa feno
fahasorenana lalandava, ho mora kivy foana, ho be fialonana ... sns
- rehefa tsy mivavaka @ fotoana rehetra: dia mora lavo @ fakampanahy, tsy hahita ny asan'Andriamanitra @ fiainana, tsy ho afak'asa loha, tsy hanana
fahatokiana an'Andriamanitra, ho be erehana sy ahiahy, hanadino an'Andriamanitra ka hanompo sampy: vola ohatra, na olona manana fahefana eo @ fiarahamonina, ireny no ivavahana (iankinana), tsy ahafantatra intsony ny sitrapon'Andriamanitr @ fiainana ... sns
- rehefa tsy misaotra: dia lasa tia tena, tsy mety afapo @ filàna sy ny besoin, mitsiriritra, manambony tena, mieritreritra fa ho azy automatique daholo ny zavatra rehetra ilainy, tonga ny fahotana isankarazany ...
Hozy zay vazaha izay, "mahagaga ahy fa mahay mi-s'amuse ny gasy, na dia zavatra kely aza ny eny antanany dia mahita fifaliana foana izy...Mahagaga ahy koa fa religieux ny malagasy, aiza ka isaky ny metatra dia misy fiangonana, hoatran'ny tamin'ny moyen age aty aminay hoz izy,...Ny mahafinaritra ahy koa hoz izy dia ny fampiasana matetika an'ity "misaotra" ity, fa tia misaotra ny gasy...tsara izany hoy izy"
Rehefa nandinika aho dia hoatran'marina lay izy, fa saingy, ny antony nahatonga azy angamba raha ny fahitako azy, dia eo ny kolotsaina nolovaina hatrizay t@ fahagolantany (izay indrisy efa manomboka rava fa soloina kolotsaina tandrefana...)... nefa ny antony faharoa lehibe dia noho ny fahantrana. Mahantra dia mifaly @ zay ananana, mahantra dia mivavaka tsy
sazoka, mangataka amin'Andriamanitra, mahantra dia misaotra zay manome fa tsy manana moa, mba hahazo indray @ manaraka.
Raha izay no motivation @ hoe fisaorana, fivavahana sy fifaliana dia tsy ampy fototra ilay izy. Fa ny tokony ho tena manesika antsika dia ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fankatoavantsika azy. Ary ny fifaliana omen'Andriamanitra koa anie raha mino sy miaraka aminy vao maika mampifaly sy mampivavaka sy mampisaotra foana e!!!!
sa ahoana?

N&J RHEVI

Aucun commentaire: