mardi, mai 04, 2010

OZONA – sao dia misy ozona ary ny fiainanao?

Nisy fanontaniana maromaro nipetraka tao @ groupe baiboly manontany ny resaka momba ny ozona, hoe ahoana no fanalana ozona. Inona no fomba atao, inona no tena mety sy efficace. Nanosika ahy izany hiresaka kely momba ny ozona

Na ny testamenta taloha izay mandika ny ozona (curse) @ teny hebreo "'a?rar" na ny testamenta vaovao izay mampiasa ny teny grika hoe "katara" dia mitovy ihany ny heviny @ fampiasana azy hoe :  antso (vavaka) @ Andriamanitra hahatonga loza na "fady" ho an'ny hafa.

Ireto no tsara marihina

- Andriamanitra irery ihany no Tompon'ny ozona. Izy no mifehy ny zavatra rehetra. Ka tsy misy ozona manankery raha tsy avy Aminy. Tsy ny vavan'ny olona akory, na ny devoly, na ny mpimasy, na ny odigasy ...sns no ozona tokony hatahorantsika... fa ny ozona avy amin'Andriamanitra: Izy aza no nampitondra ozona voalohany indrindra ary lehibe tany amboalohany tany rehefa nivoana isika olombelona t@ fahotan'i Adama sy Eva .  Gen 3.

- Ny ankamaroan'ny ozona rehetra voaresaka ao @ baiboly dia fiantsoana an'Andriamanitra hanatanteraka loza @ hafa na amin'ny tena. Endrika vavaka zany ilay izy, na ombam-panatitra, fa au lieu de vavaka fitahiana dia vavaka fanozonana. Ohatra: Num 23 , tantaran'i Balama, Gen 27 ozona ho an'i Esao, Gen 9 ozona ho an'i Kanana. 2 Sam 16, ozona natao t@ Davida.

- Mipetraka ny fanontaniana hoe azo atao ve zany ny manozona? hozy Paoly ao @ Rom 12:14 misaora izay manenjika anareo , misaora fa aza manozona

- Inona ny atao ary raha misy manozona antsika: hozy Jesosy hoe misaora zay manozona  anareo ary mivavaha ho an'izay manisy ratsy anareo. Luk 6:28

- Tsy misy atahorana raha tsy ozona avy amin'Andriamanitra. Zany hoe: tsy atahorana na odigasy na ozona silamo (badri). Satria Andriamanitra no Tompo nao ary tsy misy andriamanitra hafa ankoatrany ka afaka hanohintohina antsika.

Tandremo anefa sao misy ota nataonao zay itondranao ny fahatezeran'Andriamanitra, izay no ozona tena atahory - Andriamanitra no atahory. Voaozona isika noho ny fahotana Gal 3:10 ary mbola ambanin'izany fanozonana izany raha toa ka tsy mbola nanaiky ny fanavotana nataon'i Kristy.

- Tsy misy afaka manala ozona, fa raha niteny Andriamanitra hoe zao no valin'ny ota nataonao, dia izay no izy. Na fanatitra, na mompera, na volabe, na vavaka tsara rindra... tsy manova ny teny nomen'Andriamanitra izany. Jesosy ihany no hany mahafaka antsika @ ozona, amin'ny fitondrany @ toerantsika ny valin'izay ozona izay. Zay ny justice (fahamarinan'Andriamanitra), ny Azy tsy tolerance na fandeferana, fa justice fahamarinana.

- misy karazany betsaka ny ozona "reel" (marina avy amin'Andriamanitra, fa tsy reny atsanga aman'orana ataon'ny mpifanolobodirindrina sy ny mpimasy ireny). Ary maro ny voatanisa ao @ bokin'ny lal?na sy ny testamenta taloha. Misy amin'izy ireny mihatra @ taranaka amanjafy (ohatra universel zao ty ozona zakaintsika olombelona rehetra ity noho ny nataon'i Adama sy Eva). Misy amin'izy ireny afaka ov?na na ialana, toy ny ozon'ny fahotana izay mitondra antsika ho any @ fisarahana mandrakizay amin'Andriamanitra ... misy amin'izy ireny tsy miala raha tsy tonga ny fotoana nolazain'Andriamanitra hampitsarahana ny ozona. Toy izany ohatra ny ozon'ny asa fiveloman'ny olombelona izay tsy maintsy andatsahana tsemboka, ny hasarotry ny fiteran'ny vehivavy (na de efa misy peridural aza), ny tany zay mila asaina vao mahavelona ...sns. Toy izany koa ny supr?matie n'ny race blanche (tantaran'ny Noah), ny fikorontana permanent n''i Palestine (Esao)...ny fifandrafiana misy foana entre ny olona sy ny bibilava (reptiles)...hozy aza zay ranamana izay hoe voaozona hono ny malagasy satria mamadika, fa zay milalao faty dia voaozona araka ny voalazann’y baiboly.. .santionany fotsiny ireo..sns.tsy voatanisa.

- Zavatra mahafinaritra fotsiny dia izao hoe: efa notapahin'i Jesosy  ny ozon'ny fahotana, izay ozona faran'izay lehibe indrindra, ary faharoa hoe: efa nasian'Andriamanitra fetra io ozona iainantsika isanandro io ka izay no andrandraintsika fatratra ny ahatongavany

Rev 22:1 Ary izy naneho ahy onin'ny ranon'aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry
Rev 22:2 teo afovoan'ny lalambeny. Ary teny andaniny roa amin'ny ony nisy hazon'aina mamoa voa roa ambin'ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin'ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro.
Rev 22:3 Ary tsy hisy ozona intsony
; ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy
Rev 22:4 ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny.
Rev 22:5
Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy.

Samy hotahian' Tompo e

Revirevy