mardi, février 27, 2007

Mioko mafy ilay mpamitaka

Dia mahatezitra mihitsy ny mahita ny ataon'ireo mpanohitra an'i Kristy Jesosy, fa dia mitady izao fomba rehetra izao tokoa handrodanana ary hanafoanana tanteraka an'ity "Kristianisma" (ny finoana tena fanarahandia an'i Kristy).
Ary dia mampiasa ny tena fitaovana faran'izay mahomby sy mahery vaika indrindra izy ireo: tsy inona izany fa ny media. Ireo mpanohitra dia mahatsapa tsara fa tsy vahaolana ny fanenjehana, fa vao maika mampiroborobo ny finoana, ny fahoriana toa mamporisika ny maro hitady an'Andriamanitra...Ary dia mampiasa ny media amin'ny endriny maro izy ireo ho amin'izany tanjony izany. Ny fomba fiadiny moa dia manaraka stratejia maty paika sy mafy orina.
Ataony izay hihenan'ny toeran'Andriamanitra eo @ fiainan'ny vahoaka, @ fanesorana sy fanakonana izay zavatra mety mampitodika ny sain'olona ho amin'Andriamanitra,.
...@ fanafoanana ny tena hevitra sy fototr'ireo zavatra izay mety mifandraindray @ fivavahana krisitiana...tsikaritra izany rehefa mijery sy maheno ireo olona izay mametraka ny trano fiangonana ho mitovy laharana @ musée na toerana manantantara fotsiny, na koa ho mametraka ny fivavahana ho toy ny kolotsaina na fombafomba aingitraingitra fotsiny
...Rehefa izany dia atodiny any ankafa ny sain'olona. Ary mampidiriny tsikelikely ireo hevidiso, fomba diso isankarazany...izay maka ny toeran'ny fahamarinana teo aloha, ka ho iny no ho hitan'ny olona aty aoriana, sy heveriny fa tena izy...ka itsarany ny christianisme iray manontolo.ohatra : Croisade, Hazo noely, sectarisme...sns. Totofany intoxication (hevidiso) maro ny olona ka tsy manampotoana intsony hamakafaka sy hitady ny fahamarinana. Omeny laka ny faniriandratsy isankarazany sy ireo fahavetavetana mahatsiravina (fitiavan'ny sarambaben'olona ny horonantsary mampihoronkoditra sy mahavoafady, fanaovana ny sorcellerie, fanompoantsampy sy fivavahana @ satana ho zavatra benin "tsy manimba ary tsy tokony hahagaga sy hosakanana", lalao loka sy filandratsy fahazoankarena maimaika maro isankarazany izay mampitombo ny toeran'ny harena eo @ izay manao izany...)
...Fototra lehibe izay manampy tokoa amin'ny fivelaran'ny olombelona ny "Ankohonana", toy izany koa ny Tenin'Andriamanitra (Baiboly) sy ny fotokevitra entiny (principes)...hany ka tsy mahagaga raha ireo no tena lasibatra voalohany ho azy ireo...Fampihenandaja ny hasin'ny fianakaviana, sy ny tokatrano (fihenan'ny tokatrano vao manao mariazy, omendanja ny fifanarahana tokatrano maso PACS, ekena ny couple homosexuel, ho tapahana atsy ho atsy koa ny fanekena ireo couple ireo hitaiza taranaka...). Ny fanimbazimbana ny Tenin'Andriamanitra moa dia manginy fotsiny, tsy hilaza afats'ireo soratra na boky sy horonantsary mitady izay handravana ny hasin'ny Tenin'Andriamanitra.

Ireo tetika 3 ireo dia efa ahalemeny ny sain'ny 90% ny olona "ary saina" ao @ firenena. Mihamikoroso fahana ny kolotsaina. Toa tsy dia ratsy ety ivelany ra vahoaka, toa tsy mangalatra na mandroba ny olona, tsy mifamono loatra, ....fa kosa manary ny hasin'ny maha olombelona azy...
Harena, vola, fananana, fahafinaretana, confort, sensations,sns...zay no nahazo laharana voalohany @ zay rehetra atao, ary @ sehatra rehetra. ... Ary ny tena loza dia hita hoatran'ny hoe tsara izany ilay izy (materialisma), ...toa mandroso sy manankarena ny firenena....toa miadana sy mandry fehizay ny vahoaka. Ny fibitak'i satana ao ambadika anefa tsy misy mahita.
Eny, izay tokoa ny lalàna mivoy ny fandrosoana...mamory be dia be, dia mandany, mandany,mandany hatrany... Rehefa mandany ka mividy be ny olona dia mandeha tsara ny varotra, dia mihodina haingana ny vola, ka dia miroborobo ny harena....Efa lavitra ny olona ilay tany aloha fahiny elabe hoe:...mifofotra miasa tany, dia miandry orana avy @ Zanahary mba hahavokatra ny voly. Tsy misy mitady an'Andriamanitra tokoa izao, fa i vola no imatimatesan'ny rehetra ka anadinoany an'Andriamanitra tanteraka.

ROMANA 3:10-13 araka ny voasoratra hoe: "Tsy misy marina na dia iray akory aza; Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitady an'Andriamanitra. Samy naniaavokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza" (Sal. 14. 1-3).
IITIMOTY 3:1 "Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory.2 Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina,3 tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara,4 mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an'Andriamanitra,5 manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.6 Fa isan'ireny izay misokosoko miditra any an-tranon'ny sasany ka mahalasa babo ny vehivavy adaladala, vesaran'ny fahotana, entin'ny filana maro,7 mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina."

Vao tsy ela akory no nahitako fandaharana tao @ BBC documentaires maromaro izay mifantoka @ fanozongozonana ny maha Andriamanitra an'i Jesosy, sy fitadiavana "faille" amin'ny Tenin'Andriamanitra. Tsy manana porofo nefa izy ireo, na dia toa miandrika scientifique aza ireo fanadihadiana, ... Fanevatevana ny Tenin'Andriamanitra sy JEsosy Kristy no betsaka, hany ka na za saika hamantatra sy hamakafaka aza narikoriko mijery ity fanadihadiana....nefa dia antapitrisany maro no mitelina tsisy fihambahambana ny lainga sy fanimbazimbana ataon'ireo izany nanao izany... Tsy Mahometa tokoa Jesosy, fa Andriamanitra tonga nofo ambony lavitra...Tsy anjarako ny hitsara izay nanao ireo fandaharana, na ireo zay mankafy mijery azy...

SAINGY TSY TOKONY HANGINA ISIKA...fa tokony ho fahazavana hamakivaky ny aizina, ho sira handroaka ny fahalovana..
Matio 5:14 Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. MATIO 5
Matio 5:16 Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra. MATIO 5
Matio 5:13 Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahan'ny olona. MATIO 5

Ho tonga anie ny Fanjakanao Ray ô!

Fitahiana ho antsika rehetra e!

RHEVI