jeudi, octobre 12, 2006

Mampianara anay hanisa

"Mampianara anay hanisa ny andronay, Hahazoanay fo hendry."(Salamo 90:12)

Tsy aritro ny tsy hanao commentaires kely amin'ity  tenin'Andriamanitra androany ity, na dia feno dia feno aza ny fotoanako androany.. Eny, toa izany mihitsy manko no resahan'ty andininy ity, ...manisa ny andro,...manisa ny fotoana...

Somary taritiko lavidavitra ny sainareo...Araka ny tantara dia tany @ 2000 taona talohan'Jesosy Kristy tany no nanombohan'ny zanak'olombelona mifehy  ny kajy, ary mampiasa izany amin'ny taozavatra maro samihafa ka nahitana fa tena nanampy tokoa izany fahalalana izany. Ny egyptiana sy ny babyloniana moa no toa tompomarika voalohany tamin'io siansa io...Tsetsatsetra tsy aritra, fa ny fahalalana momba ny isa miiba (negatif) dia ny sinoa no nampiasa azy voalohany 100 taona talohan'Jesosy teo (zany hoe vao tsy ela akoriny). Nihevitra ny olona talohan'izay manko fa ny isa miiba dia "erreur de calcul" satria tsy "possible" eo @ fiainana zany hoe zavatra miisa negatif zany (ohatra omby miisa -35  na -2 akoho ???)....

Mifono zavadalina ity salamo vavaka nataon'ny Mosesy ty. Ary raha fintinina dia mifono loharanom-pahendrena goavana.

Fandrentsika matetika ny hoe: "Fahatahorana an'i Jehovah no loharanom-pahendrena" Oha 9:10. Hafa kely indray ity anankiray ity, fa toa resaka matematika.

Inona tokoa moa no ahazahoana fahendrena amin'zany hoe manisa ny andro? Tsy fahasorenana ve no aterak'zany, na koa tebiteby, iza koa no handany andro hanisa ny androny zany e, tsis tsy mahalala hoe tsy ampy ny fotoana, sa tsy izany? Na ny mifanohitra amin'zany ho an'sasany, hakamoana sy andraso andraso satria hoe mbola ho ela ny amin'ny taona ho avy....

Tsara nefa ho tsapantsika fa tena zavadehibe ho antsika ny manisa ny androtsika. Ny manisa eto, tsy manao kajy fotsiny, fa ny mitantana izany, mifehy izany koa aza(eny fa na tsy hovoafehintsika aza ny fotoana, voafetran'ny fotoana isika, zavaboary manampetra). Aoka isika ho "attentifs" amin'zay andaniantsika ny androtsika, aza avela handalo fotsiny ny fotoana. Raha mifoha maraina ianao, inona no sarombahanao voalohany indrindra,...mandrapaharivan'ny andro, laninao amin'ny inona ny andronao?? Raha mijery lavidavitra kokoa, dia mba inona no azonao amaritana ny herinandro izay nodiavinao, inona no zavabitanao tamin'ny volana lasa?? Inona no misongadina tamin'iny taona lasa iny?? Isika rehetra no hamaly izay.

24 ora isanandro no omen'i Tompo antsika isambatan'olona, tsy misy tombo sy hala. Raha te hanisa lalindalina kokoa ianao dia 3600 s x 24.

Firy segondra amin'izany no iheveranao ny fampandrosoana ny fanjakan'Andriamanitra?

Firy minitra no mba namakianao ny teniny?....

De tsy mba nahitanao na 30 segondra  vehandefasanao vetsombavaka ho an'ilay namanao izay marary na sahirana?

Tsy mba nisy ve 10 segondra niarahabanao an'ilay mpiaramianatra na mpiaramiasa aminao izay miavona be aminao mba hahatsapany fa tia azy foana ianao?

Tsy nisy ve 30 segondra (refa mande tsara ny connexion) nilazanao mail an'ilay rahalahinao hoe "tia anao Jesosy"??

He ry namako, iza tokoa moa ny hendry fa dia izaho sy ianao izay manararaotra ny minitra sy ny segondra omen'Tompo antsika isanandro hanavotana ireo analinkisa eo ankavia sy ankavanantsika mihazakazaka mivarina ao anatin'ny helo mirehitra afo. Hoy  ny Tompo hoe:" ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao." Efe_5:16

Efa lasa lavitra tokoa ny teknolojia amin'izao fotoana...isika izany no tokony ho lasa lavitra indrindra amin'ny fahendrena raha haintsika ny mampiasa izany hitantanana ny fotoanantsika.

Fahendrena ihany koa ny mahafantatra fa mihena isan'ora ny androntsika, eny ny Tompo aza no mbola milaza amintsika ny tokony ahatsapantsika an'izany lalandava. "Jehovah ô,ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny androko; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho"Sal 39:4. Eny olonkandalo izaho sy ianao, tsy hisy haharitra eto. Fa any ho any no misy ny halehantsika, andaniantsika ny mandrakizay. Kajio tsara ny mandrakizainao, "assurer"-o tsara (Jesosy no manome antsika fiainana mandrakizay), dia ho hitanao fa hahafinaritra tokoa ny mi-"calcul" ny fotoana kely andalovantsika eto antany, hanaovantsika zavatra be dia be ho Azy izay namonjy antsika.

Ho tsapanao tokoa ny mahatsinotsinona ny ankamaroan'ny andaniantsika ny fotoanantsika ireo isan'andro.

..Hevero izay mety ho fiovana entin'izany eo amin'ny fiainanao

Eny fantaro fa hendry izaho sy hianao raha manome ny androntsika ho an'i Tompo

Hendry izaho sy ianao raha tsy lany andro mihazakazaka manenjika ny rendrarendra n'izao tontolo izao fa mitantana ny minitrantsika ho an'i Tompo

Tsy mbola lavitra ny fahendrena anefa isika raha nahatsapa fa lany tamin'ny zavatra tsy nisy dikany ny androtsika. Mibebaka sy mitodika amin'Andriamanitra no mety, ary manolotra ny andro manontolo ho Azy, rehefa avy nandray ny antoka ny amin'ny mandrakizay dia ny ran'i Jesosy Kristy teo amin'ny hazo fijaliana.

Eny fantatro ary italahoako amin'i Tompo fa tsy ho fotoana very tsy akory, ho ahy sy anao, ny fotoana lany t@ namakiana ity hafatra ity

Jesosy anie hanafy fahendrena antsika rehetra

Nils

rhevi.free.fr