mardi, février 03, 2009

Madagasikara mitolona

A LA UNEMampalahelo tokoa ny mahita ny fahafatesan'olona maro (efa ho anjatony) sy ireo very fananana vokatr'ity korontana misy eto Madagasikara ity. Eny rey olona, fa tsy horohorontany, tsy hetraketraky ny natiora, tsy dorotanety na rivodoza no mandripaka eto, fa dia ny fahotan'ny olona ihany.

Isika ihany no manary ny aintsika anie. Manimba, mandoro, mamono.

Dia hono hoy aho, inona no tombotsoa azo @ zao korontana rehetra miseho izao?

Ny vakitrano sy ny halatra isankarazany? Mitondra inona? Harena kely voatsirambin'ny tànana ve. Nefa ireny ve de atakalo ny aina ?

Io fahotana kely io, io fitiavan-karena io, io ve dia atakalo ny aina sy ny hoavy mandrakizay ny fanahy?