vendredi, juillet 02, 2010

Jehovah no anjara lovako sy kapoakako

"Jehovah no anjara lovako sy kapoakako; Hianao no mampaharitra ny anjarako.Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin'ny tany mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho." (Salamo 16:5-6)

Mamy tokoa ny tenin'Andriamanitra ka tsy lany hamamiana isanandro isanandro. Ity androany tia zao de mahafinaritra mihitsy.

Tsara sy avo loatra ny tian'ny mpanoratra ny salamo holazaina, ka sahirana na ny hainteny sy ny haisoratra isankarazany hampita izany.

Asa na tsikaritrareo fa hoatry ny tsy feno avokoa ny fandikana, na @ny teny gasy na @ny version frantsay na ny anglisy? Tsara homarihina ihany koa fa ny salamo dia matetika miendrika tononkalo, ka misy rindra sy lamina mahakanto azy, na @ hevitra na amin'ny feony (fanononana azy). Tsy tanteraka anefa ny dikanteny, ka tsy ho hitantsika mihitsy izay rindra sy kanto izay @ dikanteny gasy. Fa mila miverina @ hebreo tranainy isika angamba vao hahatsikaritra izany.

Nefa na izany aza, ny Tenin'Andriamanitra dia miteny amintsika foana na dia sombiny @ izany hafany izany ihany aza no voaraintsika rehefa mamaky na mihaino azy. Izay matetika no mahatonga antsika vaky vava hoe : ary hafa indray iny hafatra androany iny, anefa dia toko sy andininy efa impolo natao toriteny, dia mbola tsy lany hafatra amintsika foana, fa dia mivoaka tsikelikely ireo fonosankafatra samihafa raketiny. Ary tsy ho lany izany hafatra izany mandrapahatongatsika eo anatrehan'ny Tompon'ilay hafatra. Any tsika vao tena hoe : hay tokoa vare ka izay no hafatra rehetra tian'i Tompo ampitaina @ iny. Any vao feno tanteraka ny hafatra satria ny sofintsika mihitsy no mandre, ary ny masontsika no hahita, ary tsy misy elanelana manasaraka intsony @ Tompon'ny hafatra.

Raha hiverina @ lay andininy teo, lay teny hoe kapoaka (avy @ teny fototra kôs adika hoe mitambatra, na miaraka na miharo, ampiasaina @ kaopy fisotroana, anjara-"fizarana"-portion) matetika dia ampiasaina hilazana "anjara" (mitovitovy @ hevitry ny "anjara" @ kolotsaina malagasy - destin). Raha misy angamba ohatra ahazoantsika rehetra azy dia ilay vavaka nataon'i Jesosy tao Getsemane hoe "Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao."

Io "expression" (fomba fiteny) hoe "Jehovah no lovako" io dia efa faheno talohan'ny vanimpotoana nanoratana an'io Salamo io, satria fiteny efa natao t@ ireo levita izany, ary izay mihitsy no fomba nilazan'Andriamanitra azy t@ Mosesy. Deu 18:1-2. Ny heviny nasehon'i Davida eto dia lasa lavitra tokoa satria tsy nijanona @ fahazahoana lova fotsiny ilay izy @ maha harena sy fivelomana azy fa tena miditra any @ lalina tokoa any @ maha olona sy maha izy ny fiainany mihitsy. Jehovah mihitsy no anton'ny fiainany raha tsotsorina ny filaza azy.

Asa inona no mba tena anton'ny fiainantsika ???... isika tsirairay no mahalala.