vendredi, février 19, 2010

Fahotana ny Homosexualité

Asa na hitanareo fa nivoaka omaly ity baiboly ho an’ny gay ity

http://www.prweb.com/releases/2010/02/prweb3615254.htm

 

Ny homosexualité dia fahotana, ary noraran'Andriamanitra ary nasainy nofadiana!! na dia misy aza ny tsy mankasitraka an’izany ary nitory t@ tribunaly fa diso hono ny voasoratra ao @ dikateny sasany milaza fa ota ny homosexualité, tany Michigan, source CPDH.info

Ireto andininy ireo dia manambara mazava fa fahotana ny homosexualité: Genesis 18,19 (fiainan'ny sodoma sy gomora), Lev_20:13Jdg_19:22; 1Ki_14:24; Rom_1:26-27, 1Co_6:9; 1Ti_1:10; Jud_1:7

Ary na ny baiboly aza dia milaza fa contre-nature izany, mazava tsara moa izany @ dikanteny hafa ankoatry ny @ teny gasy (fa @ teny gasy tsy dia voalaza loatra hoatran'zany, asa io lay pudeur malagasy?) (Rom 1, Jud 1)

Raha tsy homosexuel aza nefa mankasitraka an'izany dia mbola fahotana koa izany satria mankasitraka ny manao ratsy...ka tsy misy idiran'ny tolerance na fanavakavahana (racisme) mihitsy amin'zany. Tsy mankasitraka ny ota Andriamanitra na ho "tolerer" - n'izao tontolo izao sy ho ankasitrahany aza  izany

Rom 1:32

Hozy ny Ohab 8:13 "Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an'i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa."

Sal 119:104 Ny didinao no nahazoako fahalalana; Izany no ankahalako ny lalam-pitaka rehetra.

Izao moa dia hita mihitsy fa mitady hampandainga an'Andriamanitra ireto olona ireto, ka asiana an'izao atsanga tsy aman'orana izao hilazana fa Andriamanitra mihitsy no miteny hoe toléré ny homosexualité, ny termes ampiasainy moa dia termes mahazatra ny kristiana hoe: "famelankeloka" !! ny famelankeloka tsy tolerance velively, fa fialana @ heloka natao, fanekena fa DISO izany ary miozona TSY HANAO izany intsony.

Te hanilika ny responsabilité-ny koa ny olombelona dia lazaina fa avy @ génetique na prédisposition hormonal hono no mahatonga azy ho gay ka tsy tomponan'andraikitra @ izany ka tsy tokony ho melohina.

Raha izany maninona tsy avela hirenireny eny koa ny serial killer izay hita fa marary saina hatramin'ny fahakeliny ohatra? maninona no "interner"-na? (gadraina any @ toerampitsaboana voatokana ho @ zany) ... sa ny homosexualité tsy misy victime humain fa plaisir fotsiny de tsy maninona??? Amin'Andriamanitra rehefa fahotana dia fahotana.

Andriamanitra tsy mi-"tolerer" fahotana, fa mamela raha miala @ izany fahotana izany isika!!!

Hadinon'ny sasany angambany, izay milaza fa kristiana, fa nanefa ny ainy mihitsy Kristy mba hanadiovana ny otantsika, tsy ni-tolerer-n'Andriamanitra mihitsy ny ota, fa nisy Hafa dia Kristy nisolo voina antsika nandray ny sazy rehetra. Ary sazy henjana fa tsy nisy fizahantavan'olona ka hoe Kristy io ka atao moramora, kapoka, fijaliana, eso, fahamenarana sy fitanjahana, hazo fijaliana...fahafatesana.

 

N&J.R

Raha liana handalina bebe kokoa momba ny homosexualité dia ireto torohevitra omeko

http://www.christianity.ca/NetCommunity/Page.aspx?pid=3642

http://bible.org/article/homosexuality-christian-perspective

http://selonlabible.over-blog.com/article-23334140.html

http://www.evangelicalbible.com/homosexual.htm

vendredi, février 12, 2010

Mifaly, mivavaka, misaotra

"Mifalia mandrakariva.Mivavaha, ka aza mitsahatra.Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'ny Kristy Jesosy ho anareo." (ITesaloniana 5:16-18)
"Soyez toujours joyeux.Priez sans cesse.Rendez grâces en toutes choses, car c`est à  votre égard la volonté de Dieu en Jésus Christ." (IThessaloniciens 5:16-18)
"Rejoice always.Pray without ceasing.In everything give thanks, for this is the will of God in Christ Jesus toward you."(IThessalonians 5:16-18)

Vakio ato

Mahafinaritra be ty andininy androany ity, fa milaza zavatra 3 izay tena SITRAPON'Andriamanitra ho antsika, ary tena MAHASOA antsika 100 %.Na inona na inona zavamitranga, na aiza na aiza, na @ fotoana inona dia ireto foana no atao... (ho an'izay tsy mahita atao zany dia efa manararaotra eto @ torohevitra..lol)
- MIFALY
- MIVAVAKA
- MISAOTRA
Izany no soatoavina nampianarin'ilay Tompontsika antsika.Rehefa tsy manao an'ireo ianao @ andrompiainanao rehetra dia
- raha tsy mahay mifaly @ zavatra rehetra: dia ho avy ny fimonomononana (râleur), tsy fahaizana mankasitraka, ny fahatezerandava, lasa feno
fahasorenana lalandava, ho mora kivy foana, ho be fialonana ... sns
- rehefa tsy mivavaka @ fotoana rehetra: dia mora lavo @ fakampanahy, tsy hahita ny asan'Andriamanitra @ fiainana, tsy ho afak'asa loha, tsy hanana
fahatokiana an'Andriamanitra, ho be erehana sy ahiahy, hanadino an'Andriamanitra ka hanompo sampy: vola ohatra, na olona manana fahefana eo @ fiarahamonina, ireny no ivavahana (iankinana), tsy ahafantatra intsony ny sitrapon'Andriamanitr @ fiainana ... sns
- rehefa tsy misaotra: dia lasa tia tena, tsy mety afapo @ filàna sy ny besoin, mitsiriritra, manambony tena, mieritreritra fa ho azy automatique daholo ny zavatra rehetra ilainy, tonga ny fahotana isankarazany ...
Hozy zay vazaha izay, "mahagaga ahy fa mahay mi-s'amuse ny gasy, na dia zavatra kely aza ny eny antanany dia mahita fifaliana foana izy...Mahagaga ahy koa fa religieux ny malagasy, aiza ka isaky ny metatra dia misy fiangonana, hoatran'ny tamin'ny moyen age aty aminay hoz izy,...Ny mahafinaritra ahy koa hoz izy dia ny fampiasana matetika an'ity "misaotra" ity, fa tia misaotra ny gasy...tsara izany hoy izy"
Rehefa nandinika aho dia hoatran'marina lay izy, fa saingy, ny antony nahatonga azy angamba raha ny fahitako azy, dia eo ny kolotsaina nolovaina hatrizay t@ fahagolantany (izay indrisy efa manomboka rava fa soloina kolotsaina tandrefana...)... nefa ny antony faharoa lehibe dia noho ny fahantrana. Mahantra dia mifaly @ zay ananana, mahantra dia mivavaka tsy
sazoka, mangataka amin'Andriamanitra, mahantra dia misaotra zay manome fa tsy manana moa, mba hahazo indray @ manaraka.
Raha izay no motivation @ hoe fisaorana, fivavahana sy fifaliana dia tsy ampy fototra ilay izy. Fa ny tokony ho tena manesika antsika dia ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fankatoavantsika azy. Ary ny fifaliana omen'Andriamanitra koa anie raha mino sy miaraka aminy vao maika mampifaly sy mampivavaka sy mampisaotra foana e!!!!
sa ahoana?

N&J RHEVI

mardi, février 02, 2010

Sakafo manta izay tena mahatsara ny fahasalamana

 

Raw Food Cures From God

http://www.sixwise.com/

Ity ndray hono e, mahasalama ny fihinana sakafo voajanahary toa ny :

voanjo, karoty, voaloboka, tsaramaso, tongolo …. sns

Faly be indray ny gasy amin’io fa legioma io, tsara io.

Ny mampalahelo dia hoatran’ny hoe mila porofo siantifika foana ny olombelona vao tonga saina hoe zavatra natiora vita nanahary hoatran’io anie ka tsara dia tsara e. Na ny fisian’ny Mpahary moa tsy inoan’ny ankamaroany marivo sain’ny mondializasiona @ izao fotoana izao ka aiza moa no hisy raha hanjary.

Ny fandementsaina koa mila ialana, fa na dia hihinana omega 3 @ litatra isanandro aza tsy mivoatra io saina io raha mbola manaiky verezin’ireo tsy mahatahotody. Raha tsy te hiparitaka dia mifikira @ zay tsy ravan’ny ela e… ny tenin’Andriamanitra (Baiboly)

Revy