jeudi, décembre 07, 2006

Noely Noely fety malaza

Noely noely fety malaza

Inona tokoa moa ny fety noely? avy aiza? 

 

Aoka ho iray hevitra isika fa tsy ny datinandro no zavadehibe holazaiko eto, na ny fety sy ny fombafomba amin’izany, fa Kristy sy ny nahatongavany tety antany... izany no ankalazaina @ fety noely.
Mahatsapa ve isika fa nahatonga ny sombiny kely @ tantaran'ilay Kristy Mpamonjy tonga teto antany ho tafampita @ taranaka nifandimby maro ve ny fankalazana "fety noely"?
Izay zavatsoa izay dia heveriko mbola tsara hotohizana sy araraotina mihitsy aza ho fitoriana ny famonjena, ny tena mampatahotra ahy aza dia ny fanafoanana izany fety izany sy ny firoran’izany ho lasa fety commercial sy haha maty aloka ny tena antony dia ny fahaterahan’ny Mpamonjy.
Tsy ny daty no zavadehibe, tsy ny fety ihany koa, tsy ny fombafomban'ny olona, fa Kristy teraka ho Mpamonjy tsarovana,
"Fa zaza no teraka ho antsika, zazalahy no omentsika, ny fanapahana dia eo antsorony, ary ny anarany dia atao hoe...Mahagaga, Mpanolotsaina, Andriamanitra Mahery, Rain'ny Mandrakizay, Andrian'ny fiadanana...." Mbola haiko tsy anjery mandrak'androany io tenin'Andriamanitra io, rehefa nianarana sy nataonay ankizy tsianjery t@ krismasy, efa ho 25 taona lasa zay...
Hany ka tsy zavadehibe akory ny ady hevitra @ resaka daty sy ny fombafombampety, na dia misy milaza ohatra
- fa toa fety jiosy "hanouka" na fete de lumiere hono, izay fahatsiarovana ny nanokanana ny tempolin'ny jerosalema fahizay, no tsarovana ny andro faha 25 t@ volana fahasivy antsoina hoe "kislev" (izay mifanojo decembre @ calendrier romain) no nivadika ho noely. Mandritra io fety io dia mandrehitra labozia isanandro ary mifanolotra cadeau isanandro ny jiosy, mandrapahafenon'ny fanaovanjiro 7 rantsana (zany hoe mandrapahatapitry ny herinandro)
- na koa ny fety romana "saturnal", izay ankalazaina 17 � 24 decembre, izay ifanoloran'ny olona t@ zany andro izany fanomezana isankarazany, sy anaovana sorona hahavokatra ny taona manaraka...mety izay lay fomba mifanolotra cadeau...ary izany fety izany dia miafara @ faradoboka ny saint sylvestre (io lay faran'taona)
- ny calendrier julien napetrak'i Jules Cesar no nametraka ny 25 decembre ho fetin'ny "soleil invaincu" na mithra ny taona 274 napetrak'i emperora Aurelien, manamarika ny fisokafan'ny solistice d'hiver...mithra dia andriamanitra kely miendrika zazakely menavava � toa navadiky ireo papa fahizay ho Jesosy zazakely�toa mety hifangaro
- t@ taona 354 no nandidian'ny papa Lib�re ho fety kristiana ny 25 decembre hankalazana ny fahaterahan'i Jesosy
- Ny p�re noel, na santa claus na saint nicholas na dadabe noely hozy tsika gasy, dia mifandraindray @ lovantsofina momba an'i st nicholas iza nikoizana t@ taonjato faha 4 t@ fahalalahan-tanany sy ny fanomezany, ka nandaniany ny hareny manontolo hanampiany ny sahirana, tsarovana ny 5 decembre ny fetiny. Misy koa ny avy @ lovatsofina allemagne sy belge momba an'i Odin izay mpihaza malaza, ka isaky ny handeha hihaza izy (manodidina ny filatsahan'ny hiver) dia ametrahan'ny zanany sakafo ao anaty "botte" ny mba hoentiny any ampihazana, noho ny hafaliany dia tolorany fanomezana sy vatomamy ny zanany rehefa tafaverina avy any ampihazana izy. Ny taonjato faha 19 moa no tena nampahazo vahana an'i santa claus, rehefa niroborobo izay tsy izy ny fampiasana io fomba io hanaovana fanangonanambola (collecte) fiantrana ho an'ny tsy manankohanina rehefa tonga ny filatsahan'ny ririnina, sy ny fetin'ny krismasy. Maro koa moa ny adivarotra momba ny lokon'io papanoel io fa toa mena fotsy mifanahatahaka @ lokon'i cocacola company hono?
- arbre de noel, na sapin de noel, dia fomba avy any russie, izay mandravaka hazo sapin (izay hany hazo maitso ravina @ ririnina mamanala iny ary mety mamelana indraindray arakaraka ny karazany) @ vatomamy sakafo sy jiro marevaka ho mariky ny fanambinana ho fiandrasana ny taona vaovao... izany hoe tsisy ifandraisany @ fahaterahan' i Jesosy mihitsy.
- tsy ho tanisaina eto ireo fetifety sy fomba maro isankarazany arakaraky ny fiarahamonina sy ny fombampivavahana manodidina io fahaterahana io toy ny fête de Saint Nicolas, Immaculée conception, sainte Lucie, L'avent sns...
Koa manaova toy ireo anjely sy ireo mpiandry ondry t@ izany andro izany, hanambara @ olona rehetra manodidina, fa teraka tokoa Jesosy tao antranon’omby +/- 2001 taona lasa (tsy important ny daty).
Ary mbola iandrasantsika ny fiverenany
Ka raha hifety ihany hianao, ary hifaly, dia antenaiko fa hafaliana feno no ao anatinao raha azonao ny famonjena t@ alalan’ny fandraisanao ho Tompo sy Mpamonjy an’i Jesosy manankery amin’ny fiainanao @ zao taonjato faha 21 zao noho ny sorona vitany ho famonjena anao 2000 taona lasa zay.
Inona tokoa moa no anaovanao fety raha tsy izany. Mampahonena anie ny mahita an’ireo izay tsy mahalala fa dia milanonana sy miankanjo tsara ery ka tsy mahatsapa fa nitondra didimpitsarana ho azy ho amin’ny fahaverezana mandrakizay ny fahatongavan’i Jesosy tety, rehefa tsy noraisiny ho famonjena mandrakizay ny fiainany izany.
Koa mirary fahatsiarovana mamy ny fahaterahan’i Jesosy ho antsika rehetra e ! !
Rhevi
http://rhevi.free.fr