samedi, mai 26, 2007

Ny Fahotana

Tsy dia nanana fotoana loatra aho hanome ny references rehetra ao @ baiboly fa ireto no famintinana azoko omena momba ny fahotana.

  1. Famaritana =FINIAVANA (volontairement) - (pesh‛)fandikàna ny didin'Andriamanitra (désobeissance et transgression), Fihantsiana an'Andriamanitra @ tsy fankatoavana ny teniny, fanaovana ny ratsy (evil), fiviliana miala @ làlana mahitsy (ḥaṭṭā'th), fandikàna ny tenin'Andriamanitra misy endrika etraketraka sy faharatsiana (violence sy injustice) @ olona IJaona 5:17, IJaona 3:4 Izay rehetra manota no mandika ny lalana; fa ny ota no fandikana ny lalàna.
  2. Fepetra mampisy ny fahotana: didin'Andriamanitra na fitsipika napetrak'Andriamanitra mazava + fanaovana acte mandika an'zany, na ny mifanohitra @izay: ny tsy fanaovana zavatra nampanaovin'Andriamanitra efa voafaritra mazava. Didin'Andriamanitra =Baiboly. Ezekiela 20:11 Dia nomeko azy ny didiko, ary nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany.
  3. Ny ota sy ny lalàna : Ny lalàna no mampibaribary ny fahotàna (lois et règles)  + fahalalàna ny tsara sy ny ratsy (conscience individuelle ou communautaire) + fibitsiky ny Fanahy Masina.
    Romana 3:19 Ary fantatsika fa izay zavatra lazain'ny lalàna dia lazainy amin'izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan'ny fitsaran'Andriamanitra izao tontolo izao, 20 satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin'ny ota. 21 Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, tsy amin'ny lalàna anefa, fa ambaran'ny lalàna sy ny mpaminany,
    Tsy ny lalàna no nampisy ny ota. Tsy izy no mampirongatra ny ota. Ary ny lalàna tsy mahafaka na fomba entimiady @ fahotana
  4. Ny ota sy ny heloka: Ota - atao amin'Andriamanitra, na manoloana an'Andriamanitra, heloka - atao aman'olona, na manoloana ny fiarahamonina. (aoka tsy afangaro @ contexte firenen’ny israely izay noho ny didin’Andriamanitra nampiharina ho lalàna mifehy ny fiarahamonina dia ota mira heloka, ) oh : Levitikosy 20, izay meloka dia atao maty eo no ho eo.
    Jaona 8:10 Ary rehefa nitraka Jesosy, dia hoy Izy taminy; Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va?
    Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin'izao sisa izao dia aza manota intsony. Mampiala azy @ fahotàna Jesosy fa tsy manameloka azy
  5. Ny ota sy ny biby: Ny biby tsy manana conscience donc tsy manota. Ny biby tsy nomen'Andriamanitra didy, donc tsy manota. Kilema no iantsoana ny faharatsian’ny biby. Ny biby tsy mahafaka ny helotsika, fa natao ho endrika hanehoana ny fanafahana lehibe @ alalan’ny sorona izay nataon’I Jesosy hanavotana antsika.
  6. Ny ota sy ny fitondrantena. Ny ota mety tsy hita mazava eny ivelany, mety tsy mbola tra-tehaka ho heloka. Fa ny ota dia avy @ fo, ao anaty. Tsy afaka manameloka ny ota ny fitsaran'olombelona, fa saingy manameloka ny ota Andriamanitra.
    Matio 15:19 fa avy amin'ny fo no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny vonoan-olona, na fakam-badin'olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy
  7. Ny ota sy ny Fanahy. Ny ota dia mamono ny fanahy (mampisaraka ny fanahy @ loharanony dia Andriamanitra) Isa 59:2 .
  8. Ny ota sy ny fiantraikany @ hafa: Manimba ny hafa ny fahotana atao aminy @ ankapobeny, mety ho direct izany: halatra, vono, fiampangaina lainga, teny ratsy; na mety ho indirect: ohatra lainga, lolompo, fitsiriritana.
  9. Ny ota sy ny tena. Ny ota dia mety hanimba ny hafa matetika. Fa ny tena simba voalohany dia ny tena. Manimba satria manasaraka @ Andriamanitra. Manimba ny fahasalamana (oh: ahiahy, fijangajangana Ikor 6:18, tsy fanajana ny fitsaharana (sabata)…sns). Manimba ny toetsaina. Manimba ny fieritreretan’ny fanahy. Miteraka korotana aratsaina noho ny ahiahy sy ny fanamelohantena (guilt). Tsy izay manimba ny tena rehetra akory dia ota: oh: tsy ota ny fihinanana zavatra matavy, tsy ota ny filomanosana eny @ piscine, na fanaovana skate eny @ kianja…tsy ota ny asan’ny mpitandro ny filaminana …sns. Fa saingy mety ho ota avokoa ny zavatra rehetra raha iniana atao izany hanimbana ny tena na ny hafa.I kor 6:19;I kor 3:17
  10. Ny vokatry ny ota: Fahafatesana Rom 6:23.Vokatry ny ota dia misy ny fahalovana (loi de la nature: décadence naturelle) “19 Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra;20 fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho izay nampanaiky azy,21 sady mahazo fanantenana koa fa izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin'ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin'ny fahafahana izay momba ny voninahitr'ireo zanak'Andriamanitra. 22 Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny; 23 ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, eny, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan-anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika”. Romana 8
  11. Ny niandohan'ny fahotana: Hatramin'ny nisian'ny olona voalohany dia niditra ny fahotana (Adama)
  12. Ny olona rehetra dia manota : Romana 5:12 Koa izany dia tahaka ny nidiran'ny ota avy tamin'ny olona iray ho amin'izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran'ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra
  13. Ny iafaran'ny fahotana: Jesosy no mahafoana ny fahotana. Efa vitany ny fanavotana lehibe hanala ny olombelona @ ozon'ny fahotana. Romana 5 17 Fa raha ny fahadisoan'ny olona anankiray no nanjakan'ny fahafatesana noho ny nataon'ny anankiray, mainka izay mahazo ny haben'ny fahasoavana sy ny fanomezan'ny fahamarinana no hanjaka amin'ny fiainana noho ny nataon'ny Anankiray, dia Jesosy Kristy. 18 Koa tahaka ny nahatongavan'ny fanamelohana ho an'ny olona rehetra nohony fahadisoana iray no nahatongavan'ny fanamarinana ho amin'ny fiainana kosa ho an'ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray. 19 Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan'ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan'ny Anankiray.20 Ary ny lalàna dia niditra koa hahabe ny fahadisoana. Nefa teo amin'izay nihabiazan'ny ota no nihoaran'ny fahasoavana be lavitra,21 mba ho tahaka ny nanjakan'ny ota tao amin'ny fahafatesana no hanjakan'ny fahasoavana kosa amin'ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
  14. Jesosy sy ny ota: Jesosy no hany Olona tsy mba nanota. Jesosy no zanak'ondry tsy misy kilema, sorona hisolo antsika. Hebreo 4:15 Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota
  15. Andriamanitra sy ny ota: Masina Andriamanitra ka sady tsy misy ota no incompatible @ fahotana. Nomery 14:18 Mahari-po Jehovah sady be famindrampo, mamela heloka sy fahadisoana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafin-dohalika.
  16. Satana sy ny ota: Satana no rain'ny ota. Jaona 8:44 Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin'ny [mitoetra amin'ny] marina satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga
    Fanindron'ny satana ny ota (fitaovampiadiany)
    IKorintiana 15:55 "Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô aiza ny fanindronanao? (Hos 13:14),56 Fa ny ota no fanindronan'ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin'ny ota.
  17. Kristiana sy ny ota: Tsy andevon'ny ota intsony ny kristiana. Ny natiora vaovao ao aminy dia tsy tia ota, ary tsy velona amin'izany. I Jao 3:2 Ry malala, ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. 3 Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy.4 Izay rehetra manota no mandika ny lalana; fa ny ota no fandikana ny lalàna. 5 Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra [hitondra] ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy.6 izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy.7 Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy.8 Izay manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin'ny voalohany. Izao no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly.9 Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naterak'Andriamanitra.10 Izany no mampiseho miharihary izay Zanak'Andriamanitra izy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin'Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny.
  18. Ny ota sy ny fahafahana: Tsy manery ny olona Andriamanitra fa manome safidy malalaka ny singan'olona tsirairay na hisafidy hanaraka ny teniny na handika izany, koa tsy misy afamiàla na mano excuses. Raha entinao manota ny fahafahanao dia very tanteraka izany. Satria mangeja ny fahotana (manandevo) Jaona 8:34 Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon'ny ota
  19. Redemption - Fanadiovana @ fahotana. Jesosy nandatsaka ny rany mba hanadio ny fahotan'izao tontolo izao I Petera 1 18 fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy volamena, no nanavotana anareo tamin'ny fitondrantena adala, izay azonareo tamin'ny nentin-drazana,19 fa ny ra soan'i Kristy, toy ny ran'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina;
  20. Ota tsy nahy : samihafa ny involontaire sy ny inconscient izay samy tsy nahy (tsy fanahy iniana) no andikan’ny teny malagasy azy. Samy fahotana daholo anefa izany satria misy safidy foana manoloana ny fahotana, libre arbitre. Eny fa na dia voatery mihatra aman'aina aza dia mbola misy foana safidy mipetraka: hamoy aina ve sa hanota (ex : otage, chantage, …, tsy fananana haninkohanina,…sns)
  21. Fibebahana - Fiodinana miala @ ota (fiverenana @ Andriamanitra). Raha fiodinana miala amin'Andriamanitra no definition'ny fahotana, dia fiverenana amin'Andriamanitra no antsoina hoe fibebahana. Fialàna @ fo mihantsy an'Andriamanitra ka mandray ny fo vaovao nodiovin'ny ran'i Jesosy hankato ny tenin'Andriamanitra. Joba 36:10 Dia manokatra ny sofiny hihaino fananarana Izy Ka mandidy azy hibebaka hiala amin'ny ratsy.
  22. Famelankeloka - fanafahana @ vesatry ny ota. Jesosy irery no hany afaka manome antsika famelankeloka. Ny rany teo ambony hazo fijaliana no manadio ny otantsika Lasa - Anio ary Hoavy. Azo antoka 100% ny rany.
    I Jaona 1:7 Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra. I Jaona 1:9 Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra

Dia misaotra mialoha an'ireo izay afaka manampy sy manatsara ny famintinana izay nataoko

Dia samy hotahian'Andriamanitra daholo

Rhevi

http://rhevi.free.fr

lundi, avril 23, 2007

Est-ce qu’on s’aime vraiment ?

Est-ce qu’on s’aime vraiment ?

par H.S.

Je t’aime un peu, beaucoup, à la folie... Au fait, c’est quoi l’amour ? Comment savoir si on s’aime vraiment ? Une fille nous partage ses réflexions.


 Dans ma tête, j'ai déjà tout planifié pour ce grand jour : les invités qui lancent du riz, la vieille voiture qui nous emmènera, les bouquets de fleurs … J'ai pensé à tout, je suis prête !  Enfin, il manque… le marié, c'est vrai. C'est quand même un détail qui compte ! Ben oui, j'ai envie de trouver l'Amour. Et que les gars ne rigolent pas trop : je suis sûr qu'ils ont aussi cette attente !
Ah, l'amour… Un mot utilisé à toutes les sauces : « j'aime regarder la télévision », « j'aime le chocolat » ou même « je t'aime ». Mais qu'y a-t-il derrière ce mot ? Est-ce que c'est ce que je ressens quand je vois un gars plutôt mignon, sympa et que mon cœur bat la chamade, ce gars dont je guette chaque geste, que je suis du regard et à qui je pense jour et nuit… ?
Hum... pas si sûr... Je sais que l'amour n'est pas qu'une émotion. L'amour véritable est souvent accompagné de sentiments intenses, c'est vrai, mais je ne crois pas que ce soit ce que les films ou les chansons s'évertuent à décrire. La plupart du temps, ils dépeignent une passion, un bouillonnement d'émotions, débordant, prenant, enivrant, plus fort que tout. Ça donne le sentiment que c'est ça, le bien-être suprême. Mais l'amour ne se limite pas à ces sentiments. Une relation ne peut pas durer si elle n'est basée que sur des émotions. Les émotions sont labiles, fragiles. Je crois qu'une relation amoureuse est bien partie si les deux personnes intéressées sont conscientes de ça.
Lire la suite

extrait d'article de atoi2voir.com

mardi, avril 03, 2007

Totoboanjo, avy aiza ny vitsika?

 

Peanut Butter - Athiests Nightmare

Nahoana tokoa moa raha apetrakao @ efitra iray ity totoboanjo mihidy tsara ao anatin'ny bocal ny no tsy hisy zavatra hipoitra avy ao anatiny? Tsy misy zavabaovao miforona avy ao?

Izany dia midika fa tsy maints misy hery na zavatra avy ivelany mahatonga ny rafitra iray na toerana iray hiova (apport exterieur). Ahoana no hahatonga ny univers ho peuplé des astres etoiles planètes et des humains et animaux. Avy aiza reo?...ny valin'ny ho an'ny athée de tsy misy afa tsy hoe: évolution...hany ka mifikitra mafy amin'io izy ireo.

Mihamafy nefa ny adihevitra momba io creation - evolution io. Indrindra any amerika. Satria nanjaka ny evolutionism nandritra ny siecles maromaro; tsy namela ny marina hangina nefa ny maro.

Sombiny @ adihevitra momba izany ity horonantsary ity

Source: GodTube.com - Inspired by Rebecca St. James "Forgive Me

13 applications RFID : Introduction

voir sur le site du journal du nett

13 applications quotidiennes de la RFID Information et Publicité De plus en plus présente au quotidien, la radio-identification concerne désormais aussi bien la distribution, le tourisme, l'art, l'agriculture, le transport, la santé que la publicité. Et les applications continuent de se diversifier. Successeur annoncé du code-barres, la RFID rend déjà de nombreux services et a, dans bien des domaines, dépassé le stade de l'apprentissage. La grande distribution s'est rapidement emparée de cette technologie pour simplifier la gestion de son inventaire. Dans le secteur de l'élevage, les marqueurs assurent la traçabilité des animaux. A Tokyo, les tags informent les visiteurs du quartier de Ginza, et à Paris ils permettent aux agents municipaux de suivre la vie de 95 000 arbres.

 13 applications à découvrir Christophe Auffray, JDN Solutions, 22/03/2007 Information et Publicité

Source: 13 applications RFID : Introduction

mardi, février 27, 2007

Mioko mafy ilay mpamitaka

Dia mahatezitra mihitsy ny mahita ny ataon'ireo mpanohitra an'i Kristy Jesosy, fa dia mitady izao fomba rehetra izao tokoa handrodanana ary hanafoanana tanteraka an'ity "Kristianisma" (ny finoana tena fanarahandia an'i Kristy).
Ary dia mampiasa ny tena fitaovana faran'izay mahomby sy mahery vaika indrindra izy ireo: tsy inona izany fa ny media. Ireo mpanohitra dia mahatsapa tsara fa tsy vahaolana ny fanenjehana, fa vao maika mampiroborobo ny finoana, ny fahoriana toa mamporisika ny maro hitady an'Andriamanitra...Ary dia mampiasa ny media amin'ny endriny maro izy ireo ho amin'izany tanjony izany. Ny fomba fiadiny moa dia manaraka stratejia maty paika sy mafy orina.
Ataony izay hihenan'ny toeran'Andriamanitra eo @ fiainan'ny vahoaka, @ fanesorana sy fanakonana izay zavatra mety mampitodika ny sain'olona ho amin'Andriamanitra,.
...@ fanafoanana ny tena hevitra sy fototr'ireo zavatra izay mety mifandraindray @ fivavahana krisitiana...tsikaritra izany rehefa mijery sy maheno ireo olona izay mametraka ny trano fiangonana ho mitovy laharana @ musée na toerana manantantara fotsiny, na koa ho mametraka ny fivavahana ho toy ny kolotsaina na fombafomba aingitraingitra fotsiny
...Rehefa izany dia atodiny any ankafa ny sain'olona. Ary mampidiriny tsikelikely ireo hevidiso, fomba diso isankarazany...izay maka ny toeran'ny fahamarinana teo aloha, ka ho iny no ho hitan'ny olona aty aoriana, sy heveriny fa tena izy...ka itsarany ny christianisme iray manontolo.ohatra : Croisade, Hazo noely, sectarisme...sns. Totofany intoxication (hevidiso) maro ny olona ka tsy manampotoana intsony hamakafaka sy hitady ny fahamarinana. Omeny laka ny faniriandratsy isankarazany sy ireo fahavetavetana mahatsiravina (fitiavan'ny sarambaben'olona ny horonantsary mampihoronkoditra sy mahavoafady, fanaovana ny sorcellerie, fanompoantsampy sy fivavahana @ satana ho zavatra benin "tsy manimba ary tsy tokony hahagaga sy hosakanana", lalao loka sy filandratsy fahazoankarena maimaika maro isankarazany izay mampitombo ny toeran'ny harena eo @ izay manao izany...)
...Fototra lehibe izay manampy tokoa amin'ny fivelaran'ny olombelona ny "Ankohonana", toy izany koa ny Tenin'Andriamanitra (Baiboly) sy ny fotokevitra entiny (principes)...hany ka tsy mahagaga raha ireo no tena lasibatra voalohany ho azy ireo...Fampihenandaja ny hasin'ny fianakaviana, sy ny tokatrano (fihenan'ny tokatrano vao manao mariazy, omendanja ny fifanarahana tokatrano maso PACS, ekena ny couple homosexuel, ho tapahana atsy ho atsy koa ny fanekena ireo couple ireo hitaiza taranaka...). Ny fanimbazimbana ny Tenin'Andriamanitra moa dia manginy fotsiny, tsy hilaza afats'ireo soratra na boky sy horonantsary mitady izay handravana ny hasin'ny Tenin'Andriamanitra.

Ireo tetika 3 ireo dia efa ahalemeny ny sain'ny 90% ny olona "ary saina" ao @ firenena. Mihamikoroso fahana ny kolotsaina. Toa tsy dia ratsy ety ivelany ra vahoaka, toa tsy mangalatra na mandroba ny olona, tsy mifamono loatra, ....fa kosa manary ny hasin'ny maha olombelona azy...
Harena, vola, fananana, fahafinaretana, confort, sensations,sns...zay no nahazo laharana voalohany @ zay rehetra atao, ary @ sehatra rehetra. ... Ary ny tena loza dia hita hoatran'ny hoe tsara izany ilay izy (materialisma), ...toa mandroso sy manankarena ny firenena....toa miadana sy mandry fehizay ny vahoaka. Ny fibitak'i satana ao ambadika anefa tsy misy mahita.
Eny, izay tokoa ny lalàna mivoy ny fandrosoana...mamory be dia be, dia mandany, mandany,mandany hatrany... Rehefa mandany ka mividy be ny olona dia mandeha tsara ny varotra, dia mihodina haingana ny vola, ka dia miroborobo ny harena....Efa lavitra ny olona ilay tany aloha fahiny elabe hoe:...mifofotra miasa tany, dia miandry orana avy @ Zanahary mba hahavokatra ny voly. Tsy misy mitady an'Andriamanitra tokoa izao, fa i vola no imatimatesan'ny rehetra ka anadinoany an'Andriamanitra tanteraka.

ROMANA 3:10-13 araka ny voasoratra hoe: "Tsy misy marina na dia iray akory aza; Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitady an'Andriamanitra. Samy naniaavokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza" (Sal. 14. 1-3).
IITIMOTY 3:1 "Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory.2 Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina,3 tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara,4 mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an'Andriamanitra,5 manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.6 Fa isan'ireny izay misokosoko miditra any an-tranon'ny sasany ka mahalasa babo ny vehivavy adaladala, vesaran'ny fahotana, entin'ny filana maro,7 mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina."

Vao tsy ela akory no nahitako fandaharana tao @ BBC documentaires maromaro izay mifantoka @ fanozongozonana ny maha Andriamanitra an'i Jesosy, sy fitadiavana "faille" amin'ny Tenin'Andriamanitra. Tsy manana porofo nefa izy ireo, na dia toa miandrika scientifique aza ireo fanadihadiana, ... Fanevatevana ny Tenin'Andriamanitra sy JEsosy Kristy no betsaka, hany ka na za saika hamantatra sy hamakafaka aza narikoriko mijery ity fanadihadiana....nefa dia antapitrisany maro no mitelina tsisy fihambahambana ny lainga sy fanimbazimbana ataon'ireo izany nanao izany... Tsy Mahometa tokoa Jesosy, fa Andriamanitra tonga nofo ambony lavitra...Tsy anjarako ny hitsara izay nanao ireo fandaharana, na ireo zay mankafy mijery azy...

SAINGY TSY TOKONY HANGINA ISIKA...fa tokony ho fahazavana hamakivaky ny aizina, ho sira handroaka ny fahalovana..
Matio 5:14 Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. MATIO 5
Matio 5:16 Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra. MATIO 5
Matio 5:13 Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahan'ny olona. MATIO 5

Ho tonga anie ny Fanjakanao Ray ô!

Fitahiana ho antsika rehetra e!

RHEVI