mardi, mars 16, 2010

Ary amin'izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro

"Ary amin'izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin'ny fanjakan'ny Rainy. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino." (Matio 13:43)

Mamaky an'ity andinintsoratra masina ity eto aho de velontsento kely. De marina tokotrany ne izany e, indray andro any, mety tsy ho ela fa ato ho ato...de hamirapiratra toy ny masoandro tokoa ny fahamarinana.....ary hamirapiratra tahaka izany koa ny marina

Asa nareo aloha fa @ zao fotoana itenenana izao aloha dia maizina, ary miraparapa ao anatin'ny fahamaizinan'ny tsy fahamarinana mihitsy isika olombelona. Maizina mikitroka, tsy ahitana izay aleha intsony. Fa izay rehetra fisainan'ny olona dia ratsy avokoa. Isaky ny izay atao, na izay jerena dia manontany tena foana hoe inona indray zao no maizina ao ambadik'io ao!!! Tsy mandry mihitsy ny saina andro aman'alina noho ny afitsok'ny olombelona.... mira tsy hitovy ny t@ andron'ny Noah mihitsy?? Gen 6:5

Fampanantenana mamelombelona anefa ty teny eto ity hoe: "Ary amin'izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin'ny fanjakan'ny Rainy".

Tsy vitan'ny hamirapiratra, fa hoe ao @ fanjakan'ny Rainy...

Tsy haiko nareo na misy zanaka president na minisitra na mpanjaka, ... fa mba hitako mafinaritra ihany zany hoe zanaky ny Mpanjaka zany...Mpanjakan'ny Mpanjaka...Andriamanitra Ray mihitsy. Ngamba de tsy hisy hampahory ntsony (tsy ngamba fa tena zay mitsiny).

Asa aloha na efa natsangan’Lay Mpanjaka ho zanany ianao na tsia? Fa izay zanany ihany eto io marina voalaza eto io, fa tsy hoe izay rehetra madio casier judiciaire akoriny. Ka raha mbola tsy afaka madiodio ny tsy fahamarinanao dia dieny zao enao toroiko hevitra hihaonanao haingana @ Lay Mpanjaka, fa Izy dia mitady zaza hatsangana maro.

Manantena antsika rehetra hamirapiratra tsy ho ela e!!!

N.R

Aucun commentaire: