dimanche, juin 05, 2005


Fijoroana vavolombelona maro no hita ao anatin'ity site ity ka mety hahaliana anao. Dans ce site en anglais vous retrouver des temoignages tres interessants
By Nilsen RHEVI at http://nilsen.home.ro

1 commentaire:

Anonyme a dit…

narindra no anarako,mpino ao amin'ny fiangonana pentekotista mitambra .te hijoro vavolombelona aho amin'ny tena fisian'ny "Fanahy Masina" ary efa nandray izany raha teo aho.Nitondra fiovana maro teo amin'ny fiainako ny fananako ny fanahy masina ary nanomboka teo ihany koa ny fahatsapako fa tena misy marina JESOSY izay naneho zava_mahagaga maro tsy takatry ny saiko.Maro hoy aho ary ankehitriny de mbola mampametra_panotaniana ahy hoe fa ahoana ary .Isan'ny izany ny nahatafidirako nianatra teny amin'ny sekoly ambaratonga ambony izay tsy noeritreretin'ny saiko hoe ahafaka ahy satria sady sarotra ny concours no ihany koa mitaky fepetra maro .Tsoriko aloha fa tena efa hatry ny nahenoako ny lazan'io fianarana io no naniriako ianatra teny kanefa ny fahaizako tsy de oe makaiza akory kanefa rehefa nivavaka sy nitalaho andro aman'alina aho de tamin'ny fahagagana lehibe no nandraisako ny taratasy manambara fa voaray ihany aho sy voafatina tao anatin'ny mpiadina analikisa teto madagascar .tena tsy takatry ny saiko izany ary mampiteny ahy hoe misaotra anao JESOSY o .Ho anao tanora io ihany koa mety manotany angamba ianao oe mba manao ahoana re ny fianako ?Zao no atoroko anao manatona an'i JESOSYfa izy no afaka hanome fiainana sy fiadanana ho anao