jeudi, décembre 25, 2008

Medecine- Cours en ligne

Efa nalefako t@ post teo aloha ireo toerana mety ahitana cours sy plances d’anatomie ho an’ny mpianatra medicine na ireo mpitsabo amperinasa te hanao formation continue.

Ireto manaraka ireto indray ny compilation na cours medecine hita @ reseau n’ny universite frantsay. Ny somary manahirana dia matetika tsy accessible ireo site ireo indraindray, (matetika angamba) asa na tsy mbola matotra tsara ny fampiasana informatique @ sehatry ny fampianarana ao lafrantsa ao, fa dia ankafizo eo izay mba azo jerena.

Lyon Sud - Cours en ligne

Corpus Médical de la Faculté de Médecine de Grenoble Enseignement à distance de dermatologie
UNV Paris

Epreuves Classantes Nationales

Liste des campus numériques mis en place par les disciplines médicales :

Université Virtuelle Paris 5

Atlas d’IRM

Banque de données en santé publique

Guide ADBS

 

Dr N.RHEVI

 

mercredi, décembre 24, 2008

Fitsangatsangana gratos maimaimpoana Paris, Lille, etc…..

Iza no efa tany Frantsa na Japon na USA? Ka mahafantatra ireto toerana ireto: Trocadero, champs elysées, gare de lille…sns.

Manomboka izao izay tsy mbola nahita ireo toerana ireo dia afaka mitsangatsangana any amin’ireo toerana ireo tsy mandoa frais d’avion tsy mila manofa hotely fa dia click de tonga.

Google streetview no mitondra anao mitsangatsangana @ ireo toerana ireo. Ireto sombitsombiny omeko anareo izay mba te hitsidika.

Gare de lille

image

Trocadero Paris

image

Champs elysées

image

Mbola tsy ho atsy ho atsy aloha ny eny anosy sy kianjan’ny 13 mey, fa raha ny an’i frantsa manokana dia azonareo jerena eto ireo toerana efa ahitana streetview.

image

N.RHEVI

mardi, décembre 23, 2008

Teny 2 manafaka ny olanao : mampihomehy

 

Teny 2 manafaka ny olanao. Sendra mba hitako tany ho any ity video ity dia mba nozaraiko koa fa mahafinaritra.

Tsy fantatro na efa mandroso be ny counseling sy ny psychanalyse any Madagasikara fa raha any @ tany mandroso dia tena miroborobo be mihitsy io zavatra io. Ny antony moa dia noho ny hasarotry ny fianana andro aman’alina, ary eo koa ny fananan’ny olona moyen hanatsarany ny toepiainany.

vendredi, décembre 19, 2008

Atheist - Tsy atheist fa ho an'ny atheist

Thumbnail via WebSnapr: http://www.joyfulministry.com/athiest.htm 

Tena nanaitra ahy ity site iray ity, fa dia ahitana tantara mahavariana, dia tena mahatonga saina. Asa na ahoana ny fahitanareo azy, fa raha izaho manokana dia tonga saina teo ampamakiana ny tantara 2 voalohany novakiako. Tena ataoko matetika famaky ity site ity fa tena tsara. Mamporisika anareo rehetra koa aho hamaky azy ity na dia amin'ny teny anglisy aza ny tantara dia tena tsara dia tsara tokoa.

Raha mbola mijanona ho atheist na athée enao avy ammaky tantara vitsivitsy ato anatin'ity site ity dia tena mafy orina tokoa ny atheism nao (mampalahelo enao izany fa dia very làlana) . Tsy tokony ahakivy izany fa raha mila fifanakalozankevitra ianao avy mamaky ny tantara ato dia aza misalasala manoratra amiko fa afaka mifanakalo hevitra tsara isika.

Mandrapanoratra ary

Atheist ve?

samedi, mai 26, 2007

Ny Fahotana

Tsy dia nanana fotoana loatra aho hanome ny references rehetra ao @ baiboly fa ireto no famintinana azoko omena momba ny fahotana.

  1. Famaritana =FINIAVANA (volontairement) - (pesh‛)fandikàna ny didin'Andriamanitra (désobeissance et transgression), Fihantsiana an'Andriamanitra @ tsy fankatoavana ny teniny, fanaovana ny ratsy (evil), fiviliana miala @ làlana mahitsy (ḥaṭṭā'th), fandikàna ny tenin'Andriamanitra misy endrika etraketraka sy faharatsiana (violence sy injustice) @ olona IJaona 5:17, IJaona 3:4 Izay rehetra manota no mandika ny lalana; fa ny ota no fandikana ny lalàna.
  2. Fepetra mampisy ny fahotana: didin'Andriamanitra na fitsipika napetrak'Andriamanitra mazava + fanaovana acte mandika an'zany, na ny mifanohitra @izay: ny tsy fanaovana zavatra nampanaovin'Andriamanitra efa voafaritra mazava. Didin'Andriamanitra =Baiboly. Ezekiela 20:11 Dia nomeko azy ny didiko, ary nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany.
  3. Ny ota sy ny lalàna : Ny lalàna no mampibaribary ny fahotàna (lois et règles)  + fahalalàna ny tsara sy ny ratsy (conscience individuelle ou communautaire) + fibitsiky ny Fanahy Masina.
    Romana 3:19 Ary fantatsika fa izay zavatra lazain'ny lalàna dia lazainy amin'izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan'ny fitsaran'Andriamanitra izao tontolo izao, 20 satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin'ny ota. 21 Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, tsy amin'ny lalàna anefa, fa ambaran'ny lalàna sy ny mpaminany,
    Tsy ny lalàna no nampisy ny ota. Tsy izy no mampirongatra ny ota. Ary ny lalàna tsy mahafaka na fomba entimiady @ fahotana
  4. Ny ota sy ny heloka: Ota - atao amin'Andriamanitra, na manoloana an'Andriamanitra, heloka - atao aman'olona, na manoloana ny fiarahamonina. (aoka tsy afangaro @ contexte firenen’ny israely izay noho ny didin’Andriamanitra nampiharina ho lalàna mifehy ny fiarahamonina dia ota mira heloka, ) oh : Levitikosy 20, izay meloka dia atao maty eo no ho eo.
    Jaona 8:10 Ary rehefa nitraka Jesosy, dia hoy Izy taminy; Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va?
    Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin'izao sisa izao dia aza manota intsony. Mampiala azy @ fahotàna Jesosy fa tsy manameloka azy
  5. Ny ota sy ny biby: Ny biby tsy manana conscience donc tsy manota. Ny biby tsy nomen'Andriamanitra didy, donc tsy manota. Kilema no iantsoana ny faharatsian’ny biby. Ny biby tsy mahafaka ny helotsika, fa natao ho endrika hanehoana ny fanafahana lehibe @ alalan’ny sorona izay nataon’I Jesosy hanavotana antsika.
  6. Ny ota sy ny fitondrantena. Ny ota mety tsy hita mazava eny ivelany, mety tsy mbola tra-tehaka ho heloka. Fa ny ota dia avy @ fo, ao anaty. Tsy afaka manameloka ny ota ny fitsaran'olombelona, fa saingy manameloka ny ota Andriamanitra.
    Matio 15:19 fa avy amin'ny fo no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny vonoan-olona, na fakam-badin'olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy
  7. Ny ota sy ny Fanahy. Ny ota dia mamono ny fanahy (mampisaraka ny fanahy @ loharanony dia Andriamanitra) Isa 59:2 .
  8. Ny ota sy ny fiantraikany @ hafa: Manimba ny hafa ny fahotana atao aminy @ ankapobeny, mety ho direct izany: halatra, vono, fiampangaina lainga, teny ratsy; na mety ho indirect: ohatra lainga, lolompo, fitsiriritana.
  9. Ny ota sy ny tena. Ny ota dia mety hanimba ny hafa matetika. Fa ny tena simba voalohany dia ny tena. Manimba satria manasaraka @ Andriamanitra. Manimba ny fahasalamana (oh: ahiahy, fijangajangana Ikor 6:18, tsy fanajana ny fitsaharana (sabata)…sns). Manimba ny toetsaina. Manimba ny fieritreretan’ny fanahy. Miteraka korotana aratsaina noho ny ahiahy sy ny fanamelohantena (guilt). Tsy izay manimba ny tena rehetra akory dia ota: oh: tsy ota ny fihinanana zavatra matavy, tsy ota ny filomanosana eny @ piscine, na fanaovana skate eny @ kianja…tsy ota ny asan’ny mpitandro ny filaminana …sns. Fa saingy mety ho ota avokoa ny zavatra rehetra raha iniana atao izany hanimbana ny tena na ny hafa.I kor 6:19;I kor 3:17
  10. Ny vokatry ny ota: Fahafatesana Rom 6:23.Vokatry ny ota dia misy ny fahalovana (loi de la nature: décadence naturelle) “19 Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra;20 fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho izay nampanaiky azy,21 sady mahazo fanantenana koa fa izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin'ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin'ny fahafahana izay momba ny voninahitr'ireo zanak'Andriamanitra. 22 Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny; 23 ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, eny, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan-anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika”. Romana 8
  11. Ny niandohan'ny fahotana: Hatramin'ny nisian'ny olona voalohany dia niditra ny fahotana (Adama)
  12. Ny olona rehetra dia manota : Romana 5:12 Koa izany dia tahaka ny nidiran'ny ota avy tamin'ny olona iray ho amin'izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran'ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra
  13. Ny iafaran'ny fahotana: Jesosy no mahafoana ny fahotana. Efa vitany ny fanavotana lehibe hanala ny olombelona @ ozon'ny fahotana. Romana 5 17 Fa raha ny fahadisoan'ny olona anankiray no nanjakan'ny fahafatesana noho ny nataon'ny anankiray, mainka izay mahazo ny haben'ny fahasoavana sy ny fanomezan'ny fahamarinana no hanjaka amin'ny fiainana noho ny nataon'ny Anankiray, dia Jesosy Kristy. 18 Koa tahaka ny nahatongavan'ny fanamelohana ho an'ny olona rehetra nohony fahadisoana iray no nahatongavan'ny fanamarinana ho amin'ny fiainana kosa ho an'ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray. 19 Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan'ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan'ny Anankiray.20 Ary ny lalàna dia niditra koa hahabe ny fahadisoana. Nefa teo amin'izay nihabiazan'ny ota no nihoaran'ny fahasoavana be lavitra,21 mba ho tahaka ny nanjakan'ny ota tao amin'ny fahafatesana no hanjakan'ny fahasoavana kosa amin'ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
  14. Jesosy sy ny ota: Jesosy no hany Olona tsy mba nanota. Jesosy no zanak'ondry tsy misy kilema, sorona hisolo antsika. Hebreo 4:15 Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota
  15. Andriamanitra sy ny ota: Masina Andriamanitra ka sady tsy misy ota no incompatible @ fahotana. Nomery 14:18 Mahari-po Jehovah sady be famindrampo, mamela heloka sy fahadisoana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafin-dohalika.
  16. Satana sy ny ota: Satana no rain'ny ota. Jaona 8:44 Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin'ny [mitoetra amin'ny] marina satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga
    Fanindron'ny satana ny ota (fitaovampiadiany)
    IKorintiana 15:55 "Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô aiza ny fanindronanao? (Hos 13:14),56 Fa ny ota no fanindronan'ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin'ny ota.
  17. Kristiana sy ny ota: Tsy andevon'ny ota intsony ny kristiana. Ny natiora vaovao ao aminy dia tsy tia ota, ary tsy velona amin'izany. I Jao 3:2 Ry malala, ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. 3 Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy.4 Izay rehetra manota no mandika ny lalana; fa ny ota no fandikana ny lalàna. 5 Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra [hitondra] ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy.6 izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy.7 Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy.8 Izay manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin'ny voalohany. Izao no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly.9 Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naterak'Andriamanitra.10 Izany no mampiseho miharihary izay Zanak'Andriamanitra izy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin'Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny.
  18. Ny ota sy ny fahafahana: Tsy manery ny olona Andriamanitra fa manome safidy malalaka ny singan'olona tsirairay na hisafidy hanaraka ny teniny na handika izany, koa tsy misy afamiàla na mano excuses. Raha entinao manota ny fahafahanao dia very tanteraka izany. Satria mangeja ny fahotana (manandevo) Jaona 8:34 Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon'ny ota
  19. Redemption - Fanadiovana @ fahotana. Jesosy nandatsaka ny rany mba hanadio ny fahotan'izao tontolo izao I Petera 1 18 fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy volamena, no nanavotana anareo tamin'ny fitondrantena adala, izay azonareo tamin'ny nentin-drazana,19 fa ny ra soan'i Kristy, toy ny ran'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina;
  20. Ota tsy nahy : samihafa ny involontaire sy ny inconscient izay samy tsy nahy (tsy fanahy iniana) no andikan’ny teny malagasy azy. Samy fahotana daholo anefa izany satria misy safidy foana manoloana ny fahotana, libre arbitre. Eny fa na dia voatery mihatra aman'aina aza dia mbola misy foana safidy mipetraka: hamoy aina ve sa hanota (ex : otage, chantage, …, tsy fananana haninkohanina,…sns)
  21. Fibebahana - Fiodinana miala @ ota (fiverenana @ Andriamanitra). Raha fiodinana miala amin'Andriamanitra no definition'ny fahotana, dia fiverenana amin'Andriamanitra no antsoina hoe fibebahana. Fialàna @ fo mihantsy an'Andriamanitra ka mandray ny fo vaovao nodiovin'ny ran'i Jesosy hankato ny tenin'Andriamanitra. Joba 36:10 Dia manokatra ny sofiny hihaino fananarana Izy Ka mandidy azy hibebaka hiala amin'ny ratsy.
  22. Famelankeloka - fanafahana @ vesatry ny ota. Jesosy irery no hany afaka manome antsika famelankeloka. Ny rany teo ambony hazo fijaliana no manadio ny otantsika Lasa - Anio ary Hoavy. Azo antoka 100% ny rany.
    I Jaona 1:7 Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra. I Jaona 1:9 Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra

Dia misaotra mialoha an'ireo izay afaka manampy sy manatsara ny famintinana izay nataoko

Dia samy hotahian'Andriamanitra daholo

Rhevi

http://rhevi.free.fr

lundi, avril 23, 2007

Est-ce qu’on s’aime vraiment ?

Est-ce qu’on s’aime vraiment ?

par H.S.

Je t’aime un peu, beaucoup, à la folie... Au fait, c’est quoi l’amour ? Comment savoir si on s’aime vraiment ? Une fille nous partage ses réflexions.


 Dans ma tête, j'ai déjà tout planifié pour ce grand jour : les invités qui lancent du riz, la vieille voiture qui nous emmènera, les bouquets de fleurs … J'ai pensé à tout, je suis prête !  Enfin, il manque… le marié, c'est vrai. C'est quand même un détail qui compte ! Ben oui, j'ai envie de trouver l'Amour. Et que les gars ne rigolent pas trop : je suis sûr qu'ils ont aussi cette attente !
Ah, l'amour… Un mot utilisé à toutes les sauces : « j'aime regarder la télévision », « j'aime le chocolat » ou même « je t'aime ». Mais qu'y a-t-il derrière ce mot ? Est-ce que c'est ce que je ressens quand je vois un gars plutôt mignon, sympa et que mon cœur bat la chamade, ce gars dont je guette chaque geste, que je suis du regard et à qui je pense jour et nuit… ?
Hum... pas si sûr... Je sais que l'amour n'est pas qu'une émotion. L'amour véritable est souvent accompagné de sentiments intenses, c'est vrai, mais je ne crois pas que ce soit ce que les films ou les chansons s'évertuent à décrire. La plupart du temps, ils dépeignent une passion, un bouillonnement d'émotions, débordant, prenant, enivrant, plus fort que tout. Ça donne le sentiment que c'est ça, le bien-être suprême. Mais l'amour ne se limite pas à ces sentiments. Une relation ne peut pas durer si elle n'est basée que sur des émotions. Les émotions sont labiles, fragiles. Je crois qu'une relation amoureuse est bien partie si les deux personnes intéressées sont conscientes de ça.
Lire la suite

extrait d'article de atoi2voir.com

mardi, avril 03, 2007

Totoboanjo, avy aiza ny vitsika?

 

Peanut Butter - Athiests Nightmare

Nahoana tokoa moa raha apetrakao @ efitra iray ity totoboanjo mihidy tsara ao anatin'ny bocal ny no tsy hisy zavatra hipoitra avy ao anatiny? Tsy misy zavabaovao miforona avy ao?

Izany dia midika fa tsy maints misy hery na zavatra avy ivelany mahatonga ny rafitra iray na toerana iray hiova (apport exterieur). Ahoana no hahatonga ny univers ho peuplé des astres etoiles planètes et des humains et animaux. Avy aiza reo?...ny valin'ny ho an'ny athée de tsy misy afa tsy hoe: évolution...hany ka mifikitra mafy amin'io izy ireo.

Mihamafy nefa ny adihevitra momba io creation - evolution io. Indrindra any amerika. Satria nanjaka ny evolutionism nandritra ny siecles maromaro; tsy namela ny marina hangina nefa ny maro.

Sombiny @ adihevitra momba izany ity horonantsary ity

Source: GodTube.com - Inspired by Rebecca St. James "Forgive Me

13 applications RFID : Introduction

voir sur le site du journal du nett

13 applications quotidiennes de la RFID Information et Publicité De plus en plus présente au quotidien, la radio-identification concerne désormais aussi bien la distribution, le tourisme, l'art, l'agriculture, le transport, la santé que la publicité. Et les applications continuent de se diversifier. Successeur annoncé du code-barres, la RFID rend déjà de nombreux services et a, dans bien des domaines, dépassé le stade de l'apprentissage. La grande distribution s'est rapidement emparée de cette technologie pour simplifier la gestion de son inventaire. Dans le secteur de l'élevage, les marqueurs assurent la traçabilité des animaux. A Tokyo, les tags informent les visiteurs du quartier de Ginza, et à Paris ils permettent aux agents municipaux de suivre la vie de 95 000 arbres.

 13 applications à découvrir Christophe Auffray, JDN Solutions, 22/03/2007 Information et Publicité

Source: 13 applications RFID : Introduction

mardi, février 27, 2007

Mioko mafy ilay mpamitaka

Dia mahatezitra mihitsy ny mahita ny ataon'ireo mpanohitra an'i Kristy Jesosy, fa dia mitady izao fomba rehetra izao tokoa handrodanana ary hanafoanana tanteraka an'ity "Kristianisma" (ny finoana tena fanarahandia an'i Kristy).
Ary dia mampiasa ny tena fitaovana faran'izay mahomby sy mahery vaika indrindra izy ireo: tsy inona izany fa ny media. Ireo mpanohitra dia mahatsapa tsara fa tsy vahaolana ny fanenjehana, fa vao maika mampiroborobo ny finoana, ny fahoriana toa mamporisika ny maro hitady an'Andriamanitra...Ary dia mampiasa ny media amin'ny endriny maro izy ireo ho amin'izany tanjony izany. Ny fomba fiadiny moa dia manaraka stratejia maty paika sy mafy orina.
Ataony izay hihenan'ny toeran'Andriamanitra eo @ fiainan'ny vahoaka, @ fanesorana sy fanakonana izay zavatra mety mampitodika ny sain'olona ho amin'Andriamanitra,.
...@ fanafoanana ny tena hevitra sy fototr'ireo zavatra izay mety mifandraindray @ fivavahana krisitiana...tsikaritra izany rehefa mijery sy maheno ireo olona izay mametraka ny trano fiangonana ho mitovy laharana @ musée na toerana manantantara fotsiny, na koa ho mametraka ny fivavahana ho toy ny kolotsaina na fombafomba aingitraingitra fotsiny
...Rehefa izany dia atodiny any ankafa ny sain'olona. Ary mampidiriny tsikelikely ireo hevidiso, fomba diso isankarazany...izay maka ny toeran'ny fahamarinana teo aloha, ka ho iny no ho hitan'ny olona aty aoriana, sy heveriny fa tena izy...ka itsarany ny christianisme iray manontolo.ohatra : Croisade, Hazo noely, sectarisme...sns. Totofany intoxication (hevidiso) maro ny olona ka tsy manampotoana intsony hamakafaka sy hitady ny fahamarinana. Omeny laka ny faniriandratsy isankarazany sy ireo fahavetavetana mahatsiravina (fitiavan'ny sarambaben'olona ny horonantsary mampihoronkoditra sy mahavoafady, fanaovana ny sorcellerie, fanompoantsampy sy fivavahana @ satana ho zavatra benin "tsy manimba ary tsy tokony hahagaga sy hosakanana", lalao loka sy filandratsy fahazoankarena maimaika maro isankarazany izay mampitombo ny toeran'ny harena eo @ izay manao izany...)
...Fototra lehibe izay manampy tokoa amin'ny fivelaran'ny olombelona ny "Ankohonana", toy izany koa ny Tenin'Andriamanitra (Baiboly) sy ny fotokevitra entiny (principes)...hany ka tsy mahagaga raha ireo no tena lasibatra voalohany ho azy ireo...Fampihenandaja ny hasin'ny fianakaviana, sy ny tokatrano (fihenan'ny tokatrano vao manao mariazy, omendanja ny fifanarahana tokatrano maso PACS, ekena ny couple homosexuel, ho tapahana atsy ho atsy koa ny fanekena ireo couple ireo hitaiza taranaka...). Ny fanimbazimbana ny Tenin'Andriamanitra moa dia manginy fotsiny, tsy hilaza afats'ireo soratra na boky sy horonantsary mitady izay handravana ny hasin'ny Tenin'Andriamanitra.

Ireo tetika 3 ireo dia efa ahalemeny ny sain'ny 90% ny olona "ary saina" ao @ firenena. Mihamikoroso fahana ny kolotsaina. Toa tsy dia ratsy ety ivelany ra vahoaka, toa tsy mangalatra na mandroba ny olona, tsy mifamono loatra, ....fa kosa manary ny hasin'ny maha olombelona azy...
Harena, vola, fananana, fahafinaretana, confort, sensations,sns...zay no nahazo laharana voalohany @ zay rehetra atao, ary @ sehatra rehetra. ... Ary ny tena loza dia hita hoatran'ny hoe tsara izany ilay izy (materialisma), ...toa mandroso sy manankarena ny firenena....toa miadana sy mandry fehizay ny vahoaka. Ny fibitak'i satana ao ambadika anefa tsy misy mahita.
Eny, izay tokoa ny lalàna mivoy ny fandrosoana...mamory be dia be, dia mandany, mandany,mandany hatrany... Rehefa mandany ka mividy be ny olona dia mandeha tsara ny varotra, dia mihodina haingana ny vola, ka dia miroborobo ny harena....Efa lavitra ny olona ilay tany aloha fahiny elabe hoe:...mifofotra miasa tany, dia miandry orana avy @ Zanahary mba hahavokatra ny voly. Tsy misy mitady an'Andriamanitra tokoa izao, fa i vola no imatimatesan'ny rehetra ka anadinoany an'Andriamanitra tanteraka.

ROMANA 3:10-13 araka ny voasoratra hoe: "Tsy misy marina na dia iray akory aza; Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitady an'Andriamanitra. Samy naniaavokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza" (Sal. 14. 1-3).
IITIMOTY 3:1 "Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory.2 Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina,3 tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara,4 mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an'Andriamanitra,5 manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.6 Fa isan'ireny izay misokosoko miditra any an-tranon'ny sasany ka mahalasa babo ny vehivavy adaladala, vesaran'ny fahotana, entin'ny filana maro,7 mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina."

Vao tsy ela akory no nahitako fandaharana tao @ BBC documentaires maromaro izay mifantoka @ fanozongozonana ny maha Andriamanitra an'i Jesosy, sy fitadiavana "faille" amin'ny Tenin'Andriamanitra. Tsy manana porofo nefa izy ireo, na dia toa miandrika scientifique aza ireo fanadihadiana, ... Fanevatevana ny Tenin'Andriamanitra sy JEsosy Kristy no betsaka, hany ka na za saika hamantatra sy hamakafaka aza narikoriko mijery ity fanadihadiana....nefa dia antapitrisany maro no mitelina tsisy fihambahambana ny lainga sy fanimbazimbana ataon'ireo izany nanao izany... Tsy Mahometa tokoa Jesosy, fa Andriamanitra tonga nofo ambony lavitra...Tsy anjarako ny hitsara izay nanao ireo fandaharana, na ireo zay mankafy mijery azy...

SAINGY TSY TOKONY HANGINA ISIKA...fa tokony ho fahazavana hamakivaky ny aizina, ho sira handroaka ny fahalovana..
Matio 5:14 Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. MATIO 5
Matio 5:16 Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra. MATIO 5
Matio 5:13 Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahan'ny olona. MATIO 5

Ho tonga anie ny Fanjakanao Ray ô!

Fitahiana ho antsika rehetra e!

RHEVI

jeudi, décembre 07, 2006

Noely Noely fety malaza

Noely noely fety malaza

Inona tokoa moa ny fety noely? avy aiza? 

 

Aoka ho iray hevitra isika fa tsy ny datinandro no zavadehibe holazaiko eto, na ny fety sy ny fombafomba amin’izany, fa Kristy sy ny nahatongavany tety antany... izany no ankalazaina @ fety noely.
Mahatsapa ve isika fa nahatonga ny sombiny kely @ tantaran'ilay Kristy Mpamonjy tonga teto antany ho tafampita @ taranaka nifandimby maro ve ny fankalazana "fety noely"?
Izay zavatsoa izay dia heveriko mbola tsara hotohizana sy araraotina mihitsy aza ho fitoriana ny famonjena, ny tena mampatahotra ahy aza dia ny fanafoanana izany fety izany sy ny firoran’izany ho lasa fety commercial sy haha maty aloka ny tena antony dia ny fahaterahan’ny Mpamonjy.
Tsy ny daty no zavadehibe, tsy ny fety ihany koa, tsy ny fombafomban'ny olona, fa Kristy teraka ho Mpamonjy tsarovana,
"Fa zaza no teraka ho antsika, zazalahy no omentsika, ny fanapahana dia eo antsorony, ary ny anarany dia atao hoe...Mahagaga, Mpanolotsaina, Andriamanitra Mahery, Rain'ny Mandrakizay, Andrian'ny fiadanana...." Mbola haiko tsy anjery mandrak'androany io tenin'Andriamanitra io, rehefa nianarana sy nataonay ankizy tsianjery t@ krismasy, efa ho 25 taona lasa zay...
Hany ka tsy zavadehibe akory ny ady hevitra @ resaka daty sy ny fombafombampety, na dia misy milaza ohatra
- fa toa fety jiosy "hanouka" na fete de lumiere hono, izay fahatsiarovana ny nanokanana ny tempolin'ny jerosalema fahizay, no tsarovana ny andro faha 25 t@ volana fahasivy antsoina hoe "kislev" (izay mifanojo decembre @ calendrier romain) no nivadika ho noely. Mandritra io fety io dia mandrehitra labozia isanandro ary mifanolotra cadeau isanandro ny jiosy, mandrapahafenon'ny fanaovanjiro 7 rantsana (zany hoe mandrapahatapitry ny herinandro)
- na koa ny fety romana "saturnal", izay ankalazaina 17 � 24 decembre, izay ifanoloran'ny olona t@ zany andro izany fanomezana isankarazany, sy anaovana sorona hahavokatra ny taona manaraka...mety izay lay fomba mifanolotra cadeau...ary izany fety izany dia miafara @ faradoboka ny saint sylvestre (io lay faran'taona)
- ny calendrier julien napetrak'i Jules Cesar no nametraka ny 25 decembre ho fetin'ny "soleil invaincu" na mithra ny taona 274 napetrak'i emperora Aurelien, manamarika ny fisokafan'ny solistice d'hiver...mithra dia andriamanitra kely miendrika zazakely menavava � toa navadiky ireo papa fahizay ho Jesosy zazakely�toa mety hifangaro
- t@ taona 354 no nandidian'ny papa Lib�re ho fety kristiana ny 25 decembre hankalazana ny fahaterahan'i Jesosy
- Ny p�re noel, na santa claus na saint nicholas na dadabe noely hozy tsika gasy, dia mifandraindray @ lovantsofina momba an'i st nicholas iza nikoizana t@ taonjato faha 4 t@ fahalalahan-tanany sy ny fanomezany, ka nandaniany ny hareny manontolo hanampiany ny sahirana, tsarovana ny 5 decembre ny fetiny. Misy koa ny avy @ lovatsofina allemagne sy belge momba an'i Odin izay mpihaza malaza, ka isaky ny handeha hihaza izy (manodidina ny filatsahan'ny hiver) dia ametrahan'ny zanany sakafo ao anaty "botte" ny mba hoentiny any ampihazana, noho ny hafaliany dia tolorany fanomezana sy vatomamy ny zanany rehefa tafaverina avy any ampihazana izy. Ny taonjato faha 19 moa no tena nampahazo vahana an'i santa claus, rehefa niroborobo izay tsy izy ny fampiasana io fomba io hanaovana fanangonanambola (collecte) fiantrana ho an'ny tsy manankohanina rehefa tonga ny filatsahan'ny ririnina, sy ny fetin'ny krismasy. Maro koa moa ny adivarotra momba ny lokon'io papanoel io fa toa mena fotsy mifanahatahaka @ lokon'i cocacola company hono?
- arbre de noel, na sapin de noel, dia fomba avy any russie, izay mandravaka hazo sapin (izay hany hazo maitso ravina @ ririnina mamanala iny ary mety mamelana indraindray arakaraka ny karazany) @ vatomamy sakafo sy jiro marevaka ho mariky ny fanambinana ho fiandrasana ny taona vaovao... izany hoe tsisy ifandraisany @ fahaterahan' i Jesosy mihitsy.
- tsy ho tanisaina eto ireo fetifety sy fomba maro isankarazany arakaraky ny fiarahamonina sy ny fombampivavahana manodidina io fahaterahana io toy ny fête de Saint Nicolas, Immaculée conception, sainte Lucie, L'avent sns...
Koa manaova toy ireo anjely sy ireo mpiandry ondry t@ izany andro izany, hanambara @ olona rehetra manodidina, fa teraka tokoa Jesosy tao antranon’omby +/- 2001 taona lasa (tsy important ny daty).
Ary mbola iandrasantsika ny fiverenany
Ka raha hifety ihany hianao, ary hifaly, dia antenaiko fa hafaliana feno no ao anatinao raha azonao ny famonjena t@ alalan’ny fandraisanao ho Tompo sy Mpamonjy an’i Jesosy manankery amin’ny fiainanao @ zao taonjato faha 21 zao noho ny sorona vitany ho famonjena anao 2000 taona lasa zay.
Inona tokoa moa no anaovanao fety raha tsy izany. Mampahonena anie ny mahita an’ireo izay tsy mahalala fa dia milanonana sy miankanjo tsara ery ka tsy mahatsapa fa nitondra didimpitsarana ho azy ho amin’ny fahaverezana mandrakizay ny fahatongavan’i Jesosy tety, rehefa tsy noraisiny ho famonjena mandrakizay ny fiainany izany.
Koa mirary fahatsiarovana mamy ny fahaterahan’i Jesosy ho antsika rehetra e ! !
Rhevi
http://rhevi.free.fr

jeudi, octobre 12, 2006

Mampianara anay hanisa

"Mampianara anay hanisa ny andronay, Hahazoanay fo hendry."(Salamo 90:12)

Tsy aritro ny tsy hanao commentaires kely amin'ity  tenin'Andriamanitra androany ity, na dia feno dia feno aza ny fotoanako androany.. Eny, toa izany mihitsy manko no resahan'ty andininy ity, ...manisa ny andro,...manisa ny fotoana...

Somary taritiko lavidavitra ny sainareo...Araka ny tantara dia tany @ 2000 taona talohan'Jesosy Kristy tany no nanombohan'ny zanak'olombelona mifehy  ny kajy, ary mampiasa izany amin'ny taozavatra maro samihafa ka nahitana fa tena nanampy tokoa izany fahalalana izany. Ny egyptiana sy ny babyloniana moa no toa tompomarika voalohany tamin'io siansa io...Tsetsatsetra tsy aritra, fa ny fahalalana momba ny isa miiba (negatif) dia ny sinoa no nampiasa azy voalohany 100 taona talohan'Jesosy teo (zany hoe vao tsy ela akoriny). Nihevitra ny olona talohan'izay manko fa ny isa miiba dia "erreur de calcul" satria tsy "possible" eo @ fiainana zany hoe zavatra miisa negatif zany (ohatra omby miisa -35  na -2 akoho ???)....

Mifono zavadalina ity salamo vavaka nataon'ny Mosesy ty. Ary raha fintinina dia mifono loharanom-pahendrena goavana.

Fandrentsika matetika ny hoe: "Fahatahorana an'i Jehovah no loharanom-pahendrena" Oha 9:10. Hafa kely indray ity anankiray ity, fa toa resaka matematika.

Inona tokoa moa no ahazahoana fahendrena amin'zany hoe manisa ny andro? Tsy fahasorenana ve no aterak'zany, na koa tebiteby, iza koa no handany andro hanisa ny androny zany e, tsis tsy mahalala hoe tsy ampy ny fotoana, sa tsy izany? Na ny mifanohitra amin'zany ho an'sasany, hakamoana sy andraso andraso satria hoe mbola ho ela ny amin'ny taona ho avy....

Tsara nefa ho tsapantsika fa tena zavadehibe ho antsika ny manisa ny androtsika. Ny manisa eto, tsy manao kajy fotsiny, fa ny mitantana izany, mifehy izany koa aza(eny fa na tsy hovoafehintsika aza ny fotoana, voafetran'ny fotoana isika, zavaboary manampetra). Aoka isika ho "attentifs" amin'zay andaniantsika ny androtsika, aza avela handalo fotsiny ny fotoana. Raha mifoha maraina ianao, inona no sarombahanao voalohany indrindra,...mandrapaharivan'ny andro, laninao amin'ny inona ny andronao?? Raha mijery lavidavitra kokoa, dia mba inona no azonao amaritana ny herinandro izay nodiavinao, inona no zavabitanao tamin'ny volana lasa?? Inona no misongadina tamin'iny taona lasa iny?? Isika rehetra no hamaly izay.

24 ora isanandro no omen'i Tompo antsika isambatan'olona, tsy misy tombo sy hala. Raha te hanisa lalindalina kokoa ianao dia 3600 s x 24.

Firy segondra amin'izany no iheveranao ny fampandrosoana ny fanjakan'Andriamanitra?

Firy minitra no mba namakianao ny teniny?....

De tsy mba nahitanao na 30 segondra  vehandefasanao vetsombavaka ho an'ilay namanao izay marary na sahirana?

Tsy mba nisy ve 10 segondra niarahabanao an'ilay mpiaramianatra na mpiaramiasa aminao izay miavona be aminao mba hahatsapany fa tia azy foana ianao?

Tsy nisy ve 30 segondra (refa mande tsara ny connexion) nilazanao mail an'ilay rahalahinao hoe "tia anao Jesosy"??

He ry namako, iza tokoa moa ny hendry fa dia izaho sy ianao izay manararaotra ny minitra sy ny segondra omen'Tompo antsika isanandro hanavotana ireo analinkisa eo ankavia sy ankavanantsika mihazakazaka mivarina ao anatin'ny helo mirehitra afo. Hoy  ny Tompo hoe:" ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao." Efe_5:16

Efa lasa lavitra tokoa ny teknolojia amin'izao fotoana...isika izany no tokony ho lasa lavitra indrindra amin'ny fahendrena raha haintsika ny mampiasa izany hitantanana ny fotoanantsika.

Fahendrena ihany koa ny mahafantatra fa mihena isan'ora ny androntsika, eny ny Tompo aza no mbola milaza amintsika ny tokony ahatsapantsika an'izany lalandava. "Jehovah ô,ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny androko; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho"Sal 39:4. Eny olonkandalo izaho sy ianao, tsy hisy haharitra eto. Fa any ho any no misy ny halehantsika, andaniantsika ny mandrakizay. Kajio tsara ny mandrakizainao, "assurer"-o tsara (Jesosy no manome antsika fiainana mandrakizay), dia ho hitanao fa hahafinaritra tokoa ny mi-"calcul" ny fotoana kely andalovantsika eto antany, hanaovantsika zavatra be dia be ho Azy izay namonjy antsika.

Ho tsapanao tokoa ny mahatsinotsinona ny ankamaroan'ny andaniantsika ny fotoanantsika ireo isan'andro.

..Hevero izay mety ho fiovana entin'izany eo amin'ny fiainanao

Eny fantaro fa hendry izaho sy hianao raha manome ny androntsika ho an'i Tompo

Hendry izaho sy ianao raha tsy lany andro mihazakazaka manenjika ny rendrarendra n'izao tontolo izao fa mitantana ny minitrantsika ho an'i Tompo

Tsy mbola lavitra ny fahendrena anefa isika raha nahatsapa fa lany tamin'ny zavatra tsy nisy dikany ny androtsika. Mibebaka sy mitodika amin'Andriamanitra no mety, ary manolotra ny andro manontolo ho Azy, rehefa avy nandray ny antoka ny amin'ny mandrakizay dia ny ran'i Jesosy Kristy teo amin'ny hazo fijaliana.

Eny fantatro ary italahoako amin'i Tompo fa tsy ho fotoana very tsy akory, ho ahy sy anao, ny fotoana lany t@ namakiana ity hafatra ity

Jesosy anie hanafy fahendrena antsika rehetra

Nils

rhevi.free.fr